Niaiky omaly ny capitaine de frégate Randriaina tale jeneralin’ny CRFIM na ny ivontoerana mpikirakira ny antontam-baovao momba ny ranomasina fa mbola tena henjana ny fifehezana ireo karazan-tsambo
madinika mifamezivezy any amin’ny sisin-dranomasin’i Madagasikara, fitaovana tena hampiasain’ireo mpanao ratsy toy ireo mpanondrana an-tsokosoko ny harem-pirenena tokoa amin’izao fotoana izao. Mahatratra 7.000 isan’andro mantsy ny isan’izy ireny amin’ny ankapobeny raha voafaoka ao anatin’izay ihany koa ny sambo lehibe. Any amin’ny faritra atsinanan’i Afrika no tena ahitana azy ireo misy koa ireo avy any amin’ny faritra andrefana ka misy ireo miasa toy mitatitra olona fotsiny, misy koa ireo mitondra kaontenera raha tsy latsa-danja amin’ ireo ny sambo mpanjono…Mba hahafahana manatevina izay fanaraha-maso ny sisin-dranomasin’i Madagasikara izay ary dia olona manampahaizana miisa 11 avy eto Madagasikara no nahazo fiofanana manokana mifandraika amin’izany ny 30 janoary ka hatramin’ny 10 febroary lasa teo. Vokatr’ilay tetikasa Eoropeanina CRIMARIO narahin’ny tohana avy amin’ity ivontoerana iray ity no nahafahana nanatontosa izany ka nisy mihitsy ny fifanakalozana traikefa teo amin’ny mpiofana sy ny mpanofana ho fitsinjovana sy fiarovana ny sisin-dranomasina. Omaly no natolotra azy 11 mianadahy ireo ny maripahaizana mifandraika amin’izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.