Actualités

Fanapoahana vato eny Ambohimangakely Trano miisa 116 no ahiana hianjera


  • Zoma 03 Aprily 2015

Trano miisa 36 no efa rava tanteraka ankehitriny raha miisa 116 koa ireo mbola ahiana hianjera eny Andranovao ambohimangakely amin’izao fotoana izao.

 

 Mitriatra ny rindrina, mihotsaka ny lavarangana…Ireo no fahavoazana mianjady amin’ireo mponina eny an-toerana vokatry ny asa fanapoaham-bato hataona orinasa iray eny an-toerana. Efa nanomboka ny taona 2011 no niaina izany ireo mponina eny an-toerana saingy tsy nisy mpihaino na dia efa nanao fitarainana teny anivon’ny kaominina aza.  Na izany aza mba nandray ny andraikiny ihany ilay orinasa saingy olan’ny mponina ny hakelezan’ny fanampiana omen’izy ireo izay tsy mahavita na inona na inona akory. Vokany, mandry andriran’antsy ny mponina noho ny tahotry ny tranony amin’izao fotoana izao. Hovitrovitra hatrany mantsy no mahazo ireo trano ireo rehefa manapoaka vato ilay orinasa raha samy mitsoaka manavotra ny ainy avokoa ny mponina. Ho ana fianakaviana tompom-pasana iray eny an-toerana dia mitriatra ny rindrim-pasana, mihotsaka ihany koa ny ao anatiny ka noterena fotsiny ny razana nalevin’izy ireo teny an-toerana iray volana lasa izay. Antso avo no hatao amin’ny fanjakana mba hijery akaiky ny zava-misy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT