Actualités

Fanaparam-pahefana Tantsambo Malagasy iray lasibatra


  • Alakamisy 16 Septambra 2010

Tantsambo manamboninahitra malagasy iray no niharan’ny fanaparam-pahefana nataon’ny mpampanoa lalàna sy kaomisera miasa eto an-drenivohitra. Manana ady eny amin’ny fitsarana ity manamboninahitra ity ka ny vadiny ihany no mpifanolana aminy. Resaka fisaraham-panambadiana kosa no fototry ny olana.

Efa vita ny raharaham-pitsarana teny anivon’ny fitsarana tampony ka samy miandry ny valiny ny roa tonta. Miasa any ampitan-dranomasina moa ity manamboninahitra ity ka nanararaotra ny fotoana nampalalaka azy izy nikarakara ny “visa” hiverenany any ivelany. Nilahatra teo amin’ny Consul teo Tsaralalàna indrindra izy ny 13 septambra lasa teo no nosamborin’ny mpitandro ny filaminana ary naiditra “violon” nandritra ny 48 ora. Taratasy mitondra azy an-keriny noho ny tsy fiatrehany ny fitsarana izay nosoniavin’ny mpampanoa lalàna iray no nentin’ireo polisy tamin’izany. Gaga sy talanjona noho izany ny fianakaviana ka nanao ny fanadihadiana teny anivon’ny polisy sy ny fitsarana.

Tsy voahaja mantsy ny lalàna manankery raha ny hevitr’izy ireo satria tsy nisy akory ny fiantsoana ilay manamboninahitra raha toa ka nisy nilan’ny fitsarana azy fa avy hatrany dia fisamborana no natao. Araka ny fitantaran’ny solontenan’ny fianakaviana ihany dia nisafoaka ihany koa ny mpampanoa lalàna hafa raha naseho azy ireo ilay didy izay nolazain’izy ireo fa tsy mitombina. Teo anivon’ny polisy indray dia tsy hita izay nanjavonan’ilay kaomisera naniraka ny fisamborana ary nihidy ihany koa ny findainy nandritra ny roa andro. Nilaza moa ireo namany fa lasa any amin’ny faritra ity farany. Voatery niharitra tao amin’ny “violon” nitazonana azy mandra-piverin’ilay kaomisera noho izany ilay tantsambo. Efa tafavoaka soa aman-tsara moa ity tantsambo ity amin’izao fotoana ary mihevitra ny tenany fa nisy resaka kolikoly tao ambadiky ny fanaparam-pahefana nihatra taminy. Nomarihiny koa fa nohitsakitsahana tanteraka ny maha manamboninahitra azy satria nasiana “rojovy” fametraka amin’ireny mpamono olona ireny ny tenany. Raha ny “code d’honneur’ anefa dia tsy azo asiana izany ny manamboninahitra. 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT