Nampiaka-peo manoloana ny fihetsiky ny sendikan’ny mpiasan’ny jirama nanapaka ny jiron’ny minisiteran’ny Rano ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina omaly raha niverina an-tanindrazana avy namonjy ny fivorian’ny Sadc tany Gaborone.
Nandritra ny fanazavany dia nampatsiahy ny Filoha fa vola mitentina 400 miliara ariary no efa nomen’ny fanjakana ny Jirama tao anatin’ny telo taona mba ho fanampiana ity orinasa ity. Nanamarika ihany koa ny Filoha fa ankoatra ny fivarotana ao anaty fantiantoka ny herinaratra izay mety hahatratra hatrany amin’ny 300 ariary isaky ny kwh dia miovaova ihany koa ny sandan’ny fandanian’ny jirama izay mbola miankina tanteraka amin’ny vidin’ny solika ny famokarana ny 70%-n’ny herinaratra. Manoloana izany rehetra izany dia manamafy ny Filoha fa tsy rariny ny fanapahana ny jiron’ireo biraon’ny minisitera.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.