Actualités

Fanaovana « Visa » sy « Carte de Résident » hosoka Lehilahy iray voasambotry ny zandary


  • Talata 28 Febroary 2017

Lehilahy iray no saron’ny zandary avy ao amin’ny « Direction de la Police Judiciaire » ao amin’ny Fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena ny 23 febroary 2017 teo noho ny fanaovana « Visa sy Carte de resident » hosoka.

  Vokatry ny fiaraha-miasa avy amin’ny minisiteran’ny atitany no nahatrarana ity lehilahy ity. Efa azo ny fanampim-baovao momba ny fisiana tambajotrana mpanao hosoka eto Antananarivo izay mamitaka sy misoloky vahiny ka nisy avy hatrany ny fitoriana olon-tsy fantatra nalefan’ny minisiteran’ny atitany tany amin’ny zandary. Natao ny fanadihadiana ka ny ny alakamisy lasa teo dia tratra teny Ivandry teo amin’ny toeram-piantsonana fiarakodia ho an’ireo mpanjifa ao amina tsena lehibe iray ralehilahy rehefa avy nokarohana fatratra sy notsongoana dia nandritra ny volana vitsivitsy. Nanondro ny namany iray avy hatrany izay monina etsy Ambohimiandra izy saingy efa tafaporitsaka io namany io. Ny fisavana ny tranon’io farany io kosa dia nahazoana nanageja fitaovana maro avo lenta amin’ny fanotàna, fitombokase amin’ny anaran’ny minisiteran’ny atitany, pasipaoro sy carte de résident hosoka ary visa hosoka maro. Mbola nahatrarana basy poleta ihany koa tany amin’ny voarohirohy. Hiakatra fampanoavana anio 28 febroary ny raharaha ary mbola maro ny olona karohana.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT