Actualités

Fanaovana taratasy eto Madagasikara Mbola tena mandany vola sy fotoana


  • Talata 27 Febroary 2018

Tsy fantatra intsony raha ny fandaminan’ny tompon’andraikitra no sarotra arahina na ny olom-pirenena no miaina ao anaty fahasarotana ankehitriny. Amin’izao fotoana izao mantsy, sarotra ny manamboatra taratasy eo anivon’ny biraom-panjakana.

Ny kolikoly eo ihany fa tsy tambo isaina ihany koa ireo olana hafa sedraina na sakantsakana ara-panjakana rehefa miditra amin’ireny sampandraharaha ireny. Na dia miezaka aza ny birao sasany mba ahazoan’izy ireo fitaovana mifanaraka amin’ny toetrandro dia mbola betsaka kosa no mbola mampiasa machine à écrire sy taratasy, ity farany ity rahateo dia mbola ifampitadiavana any amin’ny biraom-panjakana. Tsy hita intsony ny varavarana tokony hidirana rehefa mikarakara taratasy eny amin’ny biraom-panjakana. Raha tsy hita indray dia mila mifindra birao hafa fa misy taratasy hafa ilaina mialoha ny ahafahana mangataka io taratasy ilaina io. Rehefa vita izay dia miandry indray fa tsy ao amin’ny biraony ny mpanao sonia. Misy ihany koa ireo mpiasam-panjakana sasany mahavita mamoromporona zavatra hafa mihitsy rehefa tsy mifanaraka aminy dieny mialoha. Ny fahatahorana miditra biraom-panjakana manginy fotsiny ka voatery miresaka amin’ny mpanera mba hahavitany haingana ny asa. Noho izany rehetra izany dia mirongatra ny olana amin’ireny biraom-panjakana ireny. Ohatra ny fikarakarana taratasy eny amin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany. Mila manao ny ainy tsy ho zavatra mihitsy ireo olona mikarakara ny tany ananany. Ny tany sy ny trano dia harena mitombo vidy rahateo. Ireo tany “tsy misy titre” no tena tratry ny olana noho ny tsy fikarakarany azy. Manampy trotraka ny fahelan’ny fikarakarana famindrana ny tany eny amin’ny domaine. Tsy natao ho an’ireo olona miasa ny mikarakara azy ireny. Miezaka miady amin’ny kolikoly ny eo amin’ity sampandraharahan’ny fananantany ity kanefa mbola lavitra ny ezaka satria ny ankamaroan’ny olona mihitsy no tsy maharitra ny fotoana hikarakarana izany sady heverin’izy ireo fa ny mpanera no mahay miresaka mivantana amin’ireo mpiasa. Raha tiana ho vita haingana ny taratasy dia tsy maintsy manome vola. Ny “Certificat de Situation juridique” ao amin’ny domaine Atsimondrano raha ny fandaminan’ny tompon’andraikitra dia 10 andro eo ny fahavitany kanefa raha mametraka kely dia vita eo no ho eo. Maro ireo rafitra voadingana noho ny ataon’ny mpanome kolikoly izay manome tsiny ny fomba fiasan’ny biraom-panjakana sasany kanefa io rafitra sy lamina tsy maintsy arahina io no atao hoe “lourdeur administrative” izay anisan’ny arofanina ho an’ny olom-pirenena tsirairay fa tsy sanatria fanasembanana na koa fahasarotana. Ny olom-pirenena ihany koa dia tokony hianatra miaina anaty lamina sy rafitra mba ahafahana miroso sy miara-mientana amin`ny fampandrosoana an`i Madagasikara.


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT