Mpiraki-draharahan’ny fitsarana roa no nidoboka am-ponja noho ny fitakiana vola 1 tapitrisa ariary ny alarobia 22 novambra lasa teo. Raha ny fizotry ny tantara dia nisy fitoriana momba ny fisian’ny raharaha kolikoly niseho tao amin’ny tribonaly Anosy nataon’ny Bianco ny fiandohan’ny volana novambra lasa teo.
Nandeha ny fanadihadiana ka nivoaka ny marina momba ny fisian’ny mpiraki-draharaha ambony roa, izay nitaky vola mitentina 1 tapitrisa ariary ho saran’ny fanafahana ara-pitsarana olona iray, izay mbola eo anivon’ny fitsarana ny raharaha mikasika azy. Tsy nahalala akory ny fandehan-javatra ny mpitsara ambony niantsoroka ilay raharaham-pitsarana. Sarona ny kolikoly avo lenta tamin’ny saika hanafahana ny olona mbola hadihadian’ny fitsarana. Fandikan-dalàna sy fanalam-baraka ny fitsarana tsotr’izao izany, ka nadoboka am-ponja vonjimaika izy ireo. Notanana am-ponja koa ilay nakana 1 tapitrisa ariary, izay sady mbola manana raharaham-pitsarana mandeha no niditra tamin’ny resaka kolikoly.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.