Fiara roa mitovy marika samy Mercedes Spriter sy mitovy laharana 9182 T… no saron’ny polisin’Antsirabe omaly alatsinainy maraina 15 Jona, izay ampiasain’ny Kaoperativa Kofiam, manao ny zotra mampitohy an’Antsirabe sy Mahajanga.
Nisy nahita nijanona nanoloana ny hotely iray tao Antsenakely Antsirabe ireo fiara ireo no avy hatrany dia nisy nampandre ny polisy ary nijery ifotony ny zava-nisy ihany koa. Azo antoka fa tsy ara-dalàna ireto fiara mitovy laharana ireto raha ny fandrosoan’ny teknolojia ampiasain’ny faritany mpamoaka ny laharana fiara saingy mampametra-panontaniana tanteraka ihany izany. Na ny mpijery aza moa valalanina. Fanaovana bizina na fiara halatra ny iray, izay mpampalaza an’Antsirabe io halatra fiara io. Eo indrindra ihany koa amin'izao fotoana tsy mampandry fahalemana ny tanàna sy ny resaka tsy fandriampahalemana amin'ny lalam-pirenena maro izao. Ny avy eo anivon'ny mpitandro ny filaminana moa dia nilaza fa mbola mandeha ny fanadihadiana momba izany. Ny fantatra dia olona iray avy any Ambohimena Avaratra no misoratra amin'io laharan'ny fiara io, ary R.S no tompony, araka ny taratasin’ny fiara ihany. Raha ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana ihany dia samy hafa ny "carte grise"-n'ireo fiara ireo ary samy manana ny laharany ihany koa.
Caïus R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.