Tantara tsy misy fiafarany hatreto ny mahakasika ilay teratany vahiny mpietraketraka ao Toamasina.
Raha ny loharanom-baovao azo avy any an-toerana, taorian'ilay fihetsiketsehana goavana nataon'ity rangahy ity tao amin'ny hopitaly dia nambara sy naseho tamin’ny haino aman-jery fa marary sy mila fitsaboana goavana izy. Ora vitsy monja taorian'izay anefa dia nivoaka an'ilay toeram-pitsaboana izy ary hitan'ny olona nivezivezy teny an-dalamben’i Toamasina ary mbola nanohy ny fandrahonana sy fampihorohoroana ireo vahoaka fanaony ihany izy sy ireo zanany. Andro vitsy anefa izay, mba hialany amin'ny fampiantsoana azy eny anivon'ny mpitsara mpanao famotorana, dia niala tao Toamasina izy nihazo an'Antananarivo satria aty, hono, no misy ireo fitaovana azo antoka ahafahana mitsabo azy. Ny mahavariana, hoy ihany ny loharanom-baovao azo, tamin'ny alalan'ny fiara no niakarany teto an-drenivohitra na dia nambara aza fa olona tena marary mafy sy mila fitsaboana malaky izy. Hatreto dia miaina toy ny olona salama sy tsy manana raharaha mahasaringotra azy ny tenany. Hita ao amina hotely lehibe iray ao Tsaralalana izy ary ny mahagaga dia misy tompon'andraikitra sy manampahefana ambony mihaona aminy matetika ao. Manaitra ny sain'ireo sampandraharaha misahana ny fanaovana fanadihadiana sy famotorana ireo olona niharan'ny hetraketraka nataon'ity karana ity fa mijaly ary sahiran-tsaina ry zareo. Itony ilay ambara, fa olona "intouchable" miaraka amina tompon'andraikitra ambony. Mbola mametraka ny fitokisany amin'ny BIANCO, SMM izay miteny fa hanaraka akaiky ny raharaha ireto olona any Toamasina ireto.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.