Actualités

Fanaovam-beloma farany an’i Tsilavina Ralaindimby Noredonin’ny rehetra ny “Ny lanitra mangamanga”


  • Alakamisy 01 Martsa 2018

Tamin’ny fanaovam-beloma farany ny nofo mangatsiakan’i Tsilavina Ralaindimby tao amin’ny efitrano Rado tetsy amin’ny tranombokim-pirenena Malagasy tetsy Anosy,

 

 omaly nialoha ny nitondrana azy teny amin’ny Cathédrale Internationale Andohalo sy teny amin’ny Fasan’ny Karana, no niredonan’ny fianakaviana sy ireo mpanotrona maro dia maro niaraka tamin’ny ritso-balihan’i Zan-Bà ny hira “Ny lanitra Mangamanga” izay anisan’ny tena nankafiziny fony fahavelony ary koa niantsan’i Andry Andriamanantena zanaka lahimatoa an-dRado poeta ny “Soraty ihany” izay mbola tononkalo tena nankafiziny ihany koa. Nijoro vavolombelona farany tamin’ny fiarahana nanan-tantara tamin’i Tsilavina fony fahavelony, niaraka tamin’ny mpilalao horonantsary, Gégé Rasamoely sy mpanao gazety, Sylvain Rafiadanantsoa ity zanak’i Rado ity.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT