Actualités

Fanangonan-karena mampiahiahy Tsy ho afa-bela i Mamy Ravatomanga


  • Zoma 11 Aogositra 2017

Fantatra fa mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana momba ny ahiahina famotsiam-bola sy harena azo tamin’ny fomba tsy mazava an’Atoa Mamy Ravatomanga tompon’ny Groupe Sodiat.

Ny fitsarana Frantsay moa no tena manao ny fanadihadiana saingy nisy kosa nyfiaraha-miasa natao tamin’ny fitsarana malagasy sy ny sampandraharaha miady amin’ny famotsiam-bola tamin’ny fisavana ny tranon’ity mpandraharaha mpanefoefo ity.Re araka ny loharanom-baovao iray fa ho sarotra ho an’i Mamy Ravatomanga ny hotafavoaka amin’ity raharaha ity satria mafonja ny antontan-taratasy momba azy ary efa io mandeha io ny fanangonana ireo porofo ; tsy eto Madagasikara irery ihany fa any amin’ireo firenena mety hananany orinasa na nametrahany vola tahaka ny ao Frantsa, Soisa, Dubai, Maorisy, Chine.Anisan’ireo olona voatonona tao anatin’ny raharaha Panama Papers na ireo manafina na mamotsy vola amin’ny alalan’ny fananganana orinasa tsy miasa akory i Mamy Ravatomanga ; voatonotonona matetika ihany koa tamin’ny resaka boaderozy niondrana tany Chine tamin’ny tetezamita (2009-2013).Ary niteraka resabe ny fanondranana vato hanamboarana lalambe mikodana manaraka ny moron-dranomasina atsy amin’ny nosy La Réunion izay nisy nidiran’ity mpandraharaha ity ihany koa.Mialohan’izany efa nahagaga ny maro ihany ny nahafahany nanorina hotely kintana 5 ao Foulpointe- Toamasina nandritra ny krizy , izany hoe tao anaty tetezamita kanefa ny mpandraharaha rehetra sempotra sy kofona avokoa.Maro ny vavolombelona efa nalaina am-bavany momba ity afera ity ary mbola hitohy izany.Misy ny milaza fa hoe :misy ambadika politika ny raharaha, eo koa anefa ireo mihevitra fa tena ilaina ny fanadihadiana tahaka izao mba hahafantarana ny tena marina satria misy olona eto tsy azo an-tsaina mihitsy ny fitombon’ny harena sy ny vola ananany tampotampoka eo.Ankoatr’izay dia hentitra fomba fiasa ny fitsarana Frantsay, fa na manampahefana aza rehefa nandika lalàna dia mahazo ny anjarany ;koa na inona na inona ambara sy resaka an-jorony atao, tena ho sarotra ho an’i Mamy Ravatomanga ny hiala bala raha toa ka tena nisy tokoa ny fandikan-dalàna nataony sy ny resaka famotsiam-bola niampy fanangonan-karena mampiahiahy tany amin’ny tanin’ny repoblika Frantsay.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT