Tsy nanao antso an’efitra ny praiminisitra raha niantso fanampiana ireo traboina amin’ny mpiray tanindrazana. Omaly hariva ary dia tonga nanolotra taratasim-bola 14 tapitrisa ariary ny praiminisitra ny orinasa Madagascar Consotidated Mining na MCM ho fanampiana ireo traboina.
Ny MCM dia orinasa mitrandraka arintany any amin’ny faritra Atsimo Andrefana ao amin’ny distrikan’i Betioky. Mahafaly raha ny mpiray tanindrazana no mahatsiaro ho tompon’andraikitra amin’ny fanampiana ny havany, hoy ny praiminisitra. Maro tokoa ny fahasahiranana nahazo ny mpiray tanindrazana amintsika araka ny nambarany. Teo ny tratran’ny rivodoza, teo ihany koa ireo nampijalian’ny rano be ary ny kere any amin’ny faritra atsimon’ny nosy. Raha nanolotra ny fanampiana moa ramatoa Boarilaza Lydia avy amin’ny MCM dia nampanantena ny mbola hanohy izany asa sosialy izany fa any an-toerana kosa. Nanontrona ny Jeneraly Jean Ravelonarivo teny Mahazoarivo ny minisitry ny Harena ankibon’ny tany sy ny minisitry ny Mponina.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.