Actualités

Fanampiana ho an’ny firenena mahantra Nomen’ny FMI 44,5 tapitrisa dolara i Madagasikara


  • Alarobia 20 Desambra 2017

Tsy maintsy hibitaka indray ny mpitondra HVM satria tonga tahaka ny fanomezan’i Dadabenoely ny vola fanampiana mitentina 44,5 tapitrisa dolara, izany hoe efa ho 144 miliara ariary mahery avy amin’ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI).

 

 Nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny FMI ny hamoaka vola hanampiana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ilay programa Facilité élargie de crédit (FEC) satria nahafeno ny fepetra ara-toekarena araka ny masontsivana napetraka ny firenena Malagasy. Natokana ho an’ireo firenena mahantra sy tena manana fahasahiranana ara-bola ny FEC ary fotoana voafetra ihany no hahazoana azy, 3 ka hatramin’ny 5 taona. Tanjon’izy ity ny fanomezana tosika ilay firenena hahafahany miarin-doha sy mandamina ny fifandanjan’ny vola miditra sy mivoaka eo aminy amin’ny alalan’ny fanohanana ireo fandaharanasa ara-toekarena. Karazana lalana iray hahafahana manetsika ny famatsiam-bola hafa ihany koa ny FEC, satria matoa mahazo azy ny firenena iray dia nisy izany ny ezaka vita teo amin’ny fitantanana ny toekarena. Tsy ho azo tsapain-tanana izao dia izao ny vokatry ny FEC fa ho hita amin’ny antenantenan’ezaka sy ny lavitr’ezaka raha toa ka misy tsara ny fitoniana ao amin’ilay firenena. Miverina « zero » ny resaka rehetra vantany vao misy ny korontana. Ho an’i Madagasikara manokana dia mbola miankina amin’ny zavattra hitranga amin’ny herintaona ny tohin’ny raharaha. Nanome fanampiana ny vondrona eoropeanina ny alatsinainy teo 13,5 tapitrisa dolara ho fanohanana ny tetibolam-panjakana, omaly io indray ny FMI fa nanapa-kevitra ny hanolotra 44,5 tapitrisa dolara saingy mitaky fitoniana sy fanatanterahana fifidianana milamina, mangarahara ary tsy misy fanilikilihana ireo rafitra iraisam-pirenena roa ireo. Ny fihetsika kely monja tsy voahevitra ataon’ny fitondrana HVM ka manohintohina io fepetra io dia efa ampy hampiantona na hampihemotra ny famoahana ny vola.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT