Actualités

Fanampiana avy any ivelany Vaky bantsilana ny aferan’ny fanjakana


  • Talata 09 Janoary 2018

Vaky bantsilana ny toe-javatra maneho ny zavatra tsy mangarahara sy ny afera maloton’ny fitondrana momba ny fitantanana ireny fanampiana avy any ivelany hoenti-manarina ny fahavoazan’ny firenena tamina loza voajanahary ireny.

 

Anisan’ny namotsipotsitra izany i Ny Rado Rafalimanana, izay efa niharan’ny antsojain’ny fanjakana tamin’ny fitondrana fanampiana ho an’ny Malagasy mpiray tanindrazana tamin’ny loza efa niseho teto amin’ny firenena. Ilaozanareo manao fety amin'ny andro fidiran'ny rivodoza ... Tsy misy tompon'andraikitra na iray aza fa toa tsy tsapanareo ny adidinareo. “Aiza daholo ireo fanomezana avy any Korea Atsimo entina nanamboarana ireny fefiloha ireny sy hanamafiasana ireo fotodrafitrasa tamin ny main-tany ?”, hoy izy. Aiza daholo ireo fanampiana simenitra avy any Japon nomena anareo hanaovana ny fanamafisana ireny trano mitritra ireny ? Mikasika ny simenitra dia niparitaka ny faran’ny herinandro teo ny vaovao momba ny fahitana ampahany tamin’ireo fanomezan’ny Japoney misy soratra “don”, nisy hita namidy tamina “quincaillerie” teny Andohatapenaka. Nisy natao bizina ny simenitra, ary heverina fa efa tambajotra goavana no miray tsikombakomba ao. Aiza daholo ny mpandinika teknisiana mijery ireny lalam-pirenena ireny ? Aiza ireo Fiara 4x4 nomen’ny Amerikanina hamonjena ireo Malagasy ? Aiza ireo “Ambulance” nomen’ny firenena Kanadianina ? Raranareo ny fikambanana ankoatry ny anareo hamonjy ny mpiray Tanindrazana satria nasianareo lalàna velona fa tsy maintsy miaraka aminareo, hoy ny Rado Rafalimanana. Dia Tonga ianareo mitondra fotsimbary sy fanomezana efa nomen'ireo tsara sitrapo tamin’ny rivodoza “Enawo”, izay tokony ho nozarainareo ka giazanareo dia aty aoriana ianareo lasa “samaritana”, hoy hatrany izy. Tsara ny manamarika fa nizara fanomezana, toy ny vary 50 taonina ny filoha Rajaonarimampianina tamin’ny anaran’ny BNGRC ary 10 taonina tamin’ny anaran’izy mivady manokana. Ampahafirin’ny vary 4 000 taonina avy amin’ny sinoa izany ? Nankaiza avy izao io fanampiana avy amin’ny sinoa efa tamin’ny taona 2017 io ? Ho avy indray ny fangatahana fanampiana noho izao voina mahazo ny Malagasy izao, izay inoana fa tsy hisy ny mangarahara raha mbola ny fanjakana HVM no handray sy hiandraikitra ny fitsinjarana azy. Tsara kokoa ho an’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny firenena samihafa ny mitady fomba hafa, toy ny mizara na misy rafitra iray mazava sy azo antoka mba hisian’ny mangarahara mba tsy ho lasa bizina ho an’ny mpitondra fotsiny. Tsotra ny hafatr’i Ny Rado Rafalimanana hoe: afaka miteny fotsiny ianareo hoe mbola mila fanampiana dia azo ampiana ny Malagasy. Milalao aina ianareo, ary tena manimbazimba ny Malagasy. Hanody anareo sy ny taranakareo izay manao tsirambina ity Tanindrazana ity izao, hoy izy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT