Actualités

Fanampiana ara-tsakafo tamin’ny rivodoza Nokianin’i Ny Rado Rafalimanana ny fanjakana


  • Sabotsy 09 Desambra 2017

7 volana lasa izay no nandalovan’ny rivodoza Enawo teto amintsika ary anisan’ny faritra voa mafy ny faritra SAVA misy an’i Sambava, Antalaha, Vohemar, Andapa.

Nampahatsiahy ny mpanao gazety tetsy amin’ny hotely Trano bongo eny Tanjombato omaly ny avy eo anivon’ny rafitra manokana na ONG Fanahy maha olona tarihin’ny filohany Ny Rado Rafalimanana. Re fa efa ho 5 andro no tsy nanana sakafo intsony ireo mponina tany an-toerana dia nanapa-kevitra ny handefa sakafo nomasahana mialoha (pré-cuit) miisa 300, 1 kaontenera tany an-toerana izy ireo hanampiana ireo traboina. Ny 3 mey 2017 no natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny biraom-pirenena misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC, hoy ny fanazavana, kanefa dia gaga ity ONG ity raha nampandrenesin’ny fikambanambe iray miara-miasa amin’izy ireo any Dubai fa naharay mailaka avy aty amin’ny rafi-panjakana malagasy ity farany izay mametraka fanontaniana hoe na haverina ireo fanomezana na hataon’ny fanjakana lavanty ny 11 desambra izao. Nanambara ny filohan’ny ONG fa halefa ho an’ny vadin’ity filoha ity any Antalaha ireo fanampiana. Ny nahagaga anefa , hoy izy, dia teo am-pelatanan’ny BNGRC ireo fanampiana. Manao antsoavo ny fitondram-panjakana ity ONG ity mba hijery izay nanaovana ireo sakafo fanomezana. Mialoha ny 11 desambra anefa dia miandry ny BNGRC hatramin’ny anio amin’ny 5 ora hariva izy ireo hanamarina na handiso ny mailaka voaray sao tahiany ka voazara ara-potoana ihany ireo sakafo satria raha sanatria tsy voazara mandrak’ankehitriny dia ahiana ho lany daty.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT