Voan’ny aretin’ny voa ihany koa i Eric Rakotoarimanana ilay mpanao hatsikana fanta-daza ao amin’ny tarika Fou-Hehy.
Efa ela raha ny fantatra no nikiky azy io aretina io, antony tsy maintsy nampidirana azy hopitaly ny faran’ny herinandro teo. Tsy mbola atahorana ny fahasalamany. Anisan’ny aretina handaniana volabe tokoa ny fitsaboana ny aretin’ny voa. Mahatratra 5 tapitrisa Ar ny vola ilaina ao anatin’ny iray volana hanaovana ilay dialyse hanoloana ny ra ao anatin’ilay marary in-12 miantoana isam-bolana. Tena mila fanampiana i Eric satria mavesatra ihany ny fandaminana tsy maintsy atrehana. Efa tonga nitondra fanampiana omaly alahady ny departemantan’ny raharaha sosialy eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika, izay iraka manokana avy amin’ny filoham-pirenena mivady. Vokatry ny fihinanana fanafody be loatra na tambavy tsy nahazoana alalana tamin’ny dokotera no mahatonga ny aretina raha hiverenana kely. Toraka izany koa ny fihinanana sakafo matsiro lava ankoatra ny fiakaran’ny tosidra diso tafahoatra sy ny tsy fahampian-drano. Amin’ny alalan’ny fivalanan-drano toy ny ranon-tsavony no hahafantarana ny aretina ka dimy taona no zandriny indrindra lasibatry ny aretin’ny voa eto Madagasikara. Ankoatra ny dialyse moa dia anisan’ny vahaolana hahafahana manampy ireo mararin’ny voa maneran-tany ihany koa ny “transplantation” na fanoloana ny voa, saingy tsy mbola vita eto amintsika izany. Efa ananantsika kosa ireo mpitsabo manampahaizana amin’izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.