Actualités

Fanampian’ny Vondrona eoropeanina Tamin’ny andron’i Dada no farany


  • Zoma 13 Novambra 2015

Raha afa-po amin’ny ezaka ataon’ny fitondrana misy ankehitriny ny vondrona eoropeanina dia amin’ny taona 2016 no ho azo ilay vola 518 tapitrisa euro izay tsiahivina hatrany fa tafiditra amin’ny fandaharan’asa faha-11 an’ny FED

 


 

, ary ho azo ampiasaina avy hatrany. Raha iverenana ny tantara, ny volana janoary 2009 no tokony ho nahazo  fanampiana tamin’ny FED i Madagasikara  tamin’ny adiany faha-10 ny fanjakana  nentin’ny Filoha Ravalomanana. Noho ny  fanonganam-panjakana  nisy  teto amintsika anefa dia nihantona io vola  fanampiana  io ka lasa tany  amin’ny firenen-kafa ny anjaran’i Madagasikara. Anisan’ny   fandaharan’asa  efa  tokony ho  nataon’ny fitondrana tamin’izany  ny lalam-pirenena faha-13 sy ny  10 izay tena mampikaikaika ny mponina tany atsimon’ny nosy no  nanjavona tampoka teo. Nanomboka  hatreo ka hatramin’izao dia tsy  nahazo fanampiana avy any  ivelany intsony  i Madagasikara  ary ny tena antony dia ny tsy fangaraharahan’ny fitantanana  ka tsy nametrahan’ny  mpamatsy  vola  fitokisana. Na dia  teo aza ireny rivodoza sy  main-tany  na koa ny fiakaran’ny rano  nahitana traboina maro nahazo an’i Madagasikara ireny dia zara  raha nisy fanampiana azontsika noho ny tsy fipetrahan’ny fitokisana mpamatsy vola izay.

Andry Ratovo  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT