Actualités

Fanampian’ny Vondrona Eoropeanina Sao dia hanantena tsy misy e ?


  • Zoma 13 Novambra 2015

Saika niompana tamin’iny dinika nifanaovan’ny vondrona eoropeanina sy ny fanjakana malagasy omaly teny Iavoloha iny avokoa ny resaky ny mpanara-baovao politika.

 

 Sao dia hanantena tsy misy ny Filoham-pirenena sy ny fanjakana HVM. Raha ireny fizotry ny resaka ireny dia maha kely finoana ny hahazoan’i Madagasikara ilay fanampiana 518 tapitrisa euro izay  ampanantenaina fa ho azo amin’ny FED 11 izay hosoniavina any Bruxelles amin’ny 23 novambra ho avy izao. Betsaka loatra ireo fepetra takian’ny vondrona eoropeanina mba ahazoana  ilay  vola fanampiana kanefa ny fotoana efa  fohy  mba ahafahana manarina ny lesoka raha tsy  hoe angaha  misy lalam-poza.

Nihemotra

Nandritra ny  fihaonana omaly mantsy  dia nanindry  mafy atoa Antonio Benedito Sanchez, masoivohon’ ny vondrona eoropeanina fa nihemotra indray i Madagasikara ka tafiditra  ho anisan’ireo firenena dimy  mahantra indrindra aty Afrika. Nentina nankahery ny malagasy  izay nahitana ny  minisitry ny Vola, ny Fiarovam-pirenena,  ny  Atitany,  ny  Raharaham-bahiny  izay  notarihin’ny filoham-pirenena dia naneho  fankasitrahana kosa ny masoivohon’ny Vondrona eoropeanina  izay notronin’ny masoivoho Anglisy, Frantsay, Belza ary Soisa, tamin’ny fahavitan’ny fifidianana ben’ny  tanàna sy ny Loholona  izay manangasanga. Tsy ampy anefa ireo fa mbola  mila  ezaka amin’ny ady  amin’ny  kolikoly, ny fametrahana fanjakana tsara tantana , ny ady amin’ny  tsy  fandriampahalemana sy ny fitsinjovana ny sosialim-bahoaka. Nanindry mafy  moa ny tompon’andraikitr’i Afrika sy ny ranomasim-be indianina fa tsy  misy sakana tsy hahazoana io vola  io  saingy  tsy omena fotsiny tsy hisy fepetra io na dia tsy hosoloina aza. Ankoatr’io dia mbola misy vola 11 tapitrisa euro  ihany koa hatokana hitsinjovana ny ara-tsosialin’ny mponina. Raha  nandray  fitenenana ny Filoham-pirenena dia nampanantena ny hametraka ny fitondrana tsara tantana. Nampanantena  fitoniana politika sy ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsy fandriampahalemana ihany  koa. Fanamby izay  apetrany  na dia iaraha –mahalala aza fa tsy ho  mora ny hahavita izany na mety tsy ho tanteraka  mihitsy. Nampanantena  ihany koa ny Filoham-pirenena fa hisy ampahany  maro  amin’io vola io  izay hatokana amin’ny fanabeazana  sy ny fahasalamana. Asa moa na ilay resaka famatsian’ny  mpamatsy vola vahiny izay  efa miverimberina lava fa  toa tsy  dia  maha rototra ny  sarambabem-bahoaka  intsony  ilay resaka. Na misy vola vahiny  na tsy  misy mahantra  foana  izahay ety  ambany  tanàna tsy  hampiova ny aty anaty vilaninay izany, hoy ny feo re  eny amin’ny  tsy mandady harona. Ho an’ireo   mpitarika ny  fitakiana ny famerenana ny « îles  éparses » indray  dia tsy tafiditra  ao  anatin’ny fandaharam-potonan’izy ireo ihany koa ny fitoniana  amin’ny fitakiana aloha, na dia fantatr’izy ireo mazava tsara aza fa anisan’ny  manapa-kevitra amin’ny ahazoantsika ny FED 11 io i Frantsa. Vao  omaly izy ireo no nilaza fa hametraka  sonia maro be eny anivon’ny  Antenimieram-pirenena.

Andry Ratovo      

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT