Nanomboka ny taona nivalona iny dia fahoriana ho an’ireo tantsaha Malagasy ao Toamasina ny fisolokiana sy famitahana mahazo azy ireo amin’ny fampiasan’olona vola sandoka 10.000 ariary sy 20.000 ariary mividy vokatra amin’izy ireo.
Mahanoro, Vatomandry, Toamasina II, Vavatenina, Fenoarivo atsinanana sy ny manodidina azy rehetra, no tena lasibatra amin’izany, indrindra moa misy ny fiakaran’ny vokatra jirofo amin’izao fotoana. Nisy ny fiaraha-miasan’ny FIP tarihan’ny kaomisera Rafaliarivo Jules sy ireo mpanome vaovao marim-pototra azy omaly ka raikitra ny hetsika goavana nanomboka tamin’ny 7 ora maraina hatramin’ny 11ora antoandro. Tao anatin’izay dia olona 11 izay nahitana vehivavy ny 2 no tratran’izy ireo, ka tao Tanambao V olona mianadahy, Ankirihiry olona 2, Tsarakofafa olona 4 izay vehivavy ny 2, ary Mangarivotra olona 3. Tratra tany amin’izy ireo ihany koa ny fitaovana fanamboarana ny vola sandoka izay nahitana ny ranomainty sy ny vovoka fotsy ary ny fanapahana ny taratasy haka ny endriky ny vola tiana atao hosoka. Mbola tratra ihany koa ireo taratasy efa tapaka manana endrika vola 10.000 ariary sy 20.000 ariary efa vonona hamboarina. Ny angom-baovao natao no nahalalana fa kolonely ao Toamasina manao asa mpanangom-bokatra ara-pambolena sy voly fanondrana izany no lehiben’izy ireo. Ho hita eo ny fanadihadiana ataon’ny polisy misahana ny heloka be vava Toamasina mihazona ny raharaha.
Malala Didier
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.