Actualités

Fanamboarana pasipaoro Feno endrika kolikoly, zary lasa fahazarana


  • Alakamisy 22 Febroary 2018

Mampanahy ny zava-misy ankehitriny fa dia gaboraraka ny fidirana sy fivoahana eto Madagasikara.

Maro ireo mahazo tombony amin`izany, ary tsy mahagaga raha ataon’ny vahiny hoe “Madagascar, le pays du Moramora”. Anisan’ireo firenena tena hanjakan’ny kolikoly i Madagasikara ary misy izany ny rafitra sy ny sehatr’asa eto na miankina amin’ny fanjakana io na tsy miankina. Manamafy ny fisian’ny kolikoly eto amintsika koa anefa ny hakamoana hanao taratasy sy hanaraka rafitra. Nitodika any amin`ny minisiteran'ny atitany, indrindra amin`ny sampan-draharaha mikarakara pasipaoro, ny fanadihadiana satria misy ireo velon-taraina noho ny fisiana olona mahazo tombony noho ny kolikoly na ny fahafantarana tompon'andraikitra ka vetivety dia vita ny taratasy …

 

Velon-taraina ireo olona mikarakara pasipaoro elektronika eo anivon'ny sampandraharaha mikarakara izany noho ny fanjakan`ny kolikoly eny an-toerana ary dia mibaribary mihitsy. Tsy vitsy ireo maneho ny heviny amin`ny aterineto, indrindra amin'ireny dinika (forum) sy ireny tambajotra sosialy ireny mba itabatabana fatratra kanefa tsy dia nahitana famakafakana matotra.  Noho ny tsy fanaovan`ny mpiasam-panjakana sasany eo anivon`ity sampandraharaha ity ny tena asany dia mitombo ny fivezivezena sy filaharana eny an-toerana. Tsy tokony hisy ny kolikoly raha toa ka fantatry ny olona mialoha ny alehany raha miditra amin`ny sampandraharaha iray. Mena miraviravy anefa ny risoriso ka lasa matahotra ny mpanjifa vao miditra birao. Noho ny fahatahorana no mampitombo ny mpijirika eny an-toerana. Misy koa ny mpanjifa, noho ny fahamaikana dia roboka ka tsy maharitra ny fe-potoana hanaovana ny pasipaoro elektronika. Marihina fa tapak’andro ihany rehefa feno sy mazava ny antontan-taratasy rehetra dia vita. Mety haharitra 72 ora raha betsaka ireo manao fangatahana izay mety ho 400 mahery.


Raha nanontaniana i Stephanie R, olona iray manao taratasy eny an-toerana dia nanambara fa ``noho izaho maika hiverina any Frantsa dia ilaina faran’izay haingana ny pasipaoroko. Kanefa mitaky Fiche de paie ny eto amin`ny Intérieur dia tsy maintsy mikaroka vahaolana haingana aho. Mila procédure be mantsy ny maka izany any aminay.`` Marihana fa efa ho iray volana izy no teto an-tanindrazana kanefa dia tsy nataony vaindohan-draharaha ny pasipaoro. Ho an`i Tinah B. indray `` Ny dadako no frantsay fa ny mamako kosa teratany Malagasy. Manao fanavaozana pasipaoro aho dia takiana Certificat de nationalité kanefa ela be no maka an`izany eo anivon`ny tribonaly. Maika aho ka nikaroka hevitra ka nahita olona manao azy ary ny hariva ihany dia efa azo ilay izy``. Misy kosa ireo olona no tsy manaiky manao kolikoly fa dia manaraka ny rafitra kanefa dia iharan`ny risoriso foana. Rindraniaina R, izay hanao mission any ivelany dia efa ho tapa-bolana no nivezivezy eny amin`ity sampandraharaha ity. ``Mody raisina ny dosieko kanefa tsy mbola nasain`izy ireo nandoa ilay sarany aho. Hasaina miverina aho afaka 48 ora isaky ny tonga aty. Olona tsara sitrapo no nilaza tamiko hoe mandehana tonga dia aloavy fotsiny ny droit dia izao miandry ny fivoahan`ilay pasipaoroko izao``  


20 000 ka hatramin’ny 100 000 Ar

Misy kosa ireo mahazo tombony, indrindra ireo mpanera satria manomboka hatramin`ny 20 000 Ar hatramin`ny 100 000 Ar no sarany hanaovan`izy ireo ny pasipaoro iray ary miankina amin’ny zava-manjo ny mpanjifany. Misy amin`izy ireo tsy eto an-toerana fa any ivelany ka dia maniraka fotsiny kanefa ny pasipaoro dia tsy maintsy mila tonga ao amin’ny sampandraharaha vao tokony ho vita satria mila maka sary izay vita eo no ho eo ary apetraka amin’izany. Rtoa Sahondra dia milaza fa ``efa ho dimy taona no nanaovako izao asa izao sady mahavelona ahy tsara ary tsy eto ihany koa aho no miasa fa hatrany amin`ny Masoivoho Frantsay. Miankina amin`ny olan`ireo mpanjifa kosa no hanaovako ny sarany. Ny Clients-ko dia ireo olona mikasa handeha any Liban, Dubai… olona hiasa e !`` Misy tokoa mantsy ny firenena voasokajy ho faritra mena (Pays à risque). Noho izany indrindra no nahatonga ny minisiteran`ny atitany nangataka ``Cértificat d`hébèrgement`` ho an`ireo izay mikasa hangataka pasipaoro kanefa any amin`ny fangatahana ``visa`` no tokony hisy ny taratasy. Niteraka resabe tokoa izany kanefa araka ny nambaran`ny tompon`andraikitra iray eo anivon`ny polisim-pirenena dia ho fiarovana azy izany. Nanamafy kosa izy fa ``mahazo vahana ireo mpisoloky noho ny tsy fanarahana lamina. Tamin`ny taon-dasa, ohatra, dia lehilahy avy any Mahajanga  izay niakatra aty Antananarivo hanamboatra taratasy ahazoana misidina mankany ivelany na ny pasipaoro sy visa no niharana fisolokiana 5 tapitrisa Ariary


 

Mitaky adidy sy fandraisan-andraikitra

Nigadona ny taona 2018 dia taitra ny besinimaro fa toa nidangana be ny saran’ny fangatahana pasipaoro. Niteraka resabe tokoa satria toa miha sarotra ny fangatahana ary ny sarany teo aloha 110 000 Ariary lasa 190 000 Ariary. Ny antony dia noho ny sandam-bola Euro niakatra be satria sandam-bola tamin`ny taona 2003 no mbola noraisina tamin`izany izay teo amin`ny 2 600 Ar teo kanefa tafiakatra 4 000 Ar amin`izao. Izay elanelany izay na GAP dia ny fanjakana foana no nanentsina azy. Natao ny fanitsiana ka ireo izay manamboatra pasipaoro dia mandoa ny vidiny amin`ny ara-dalàna amin`izay. Marihana fa ny orinasa mpamokatra an`io pasipaoro elektronika io dia efaina amin`ny vola vahiny ``Euro`` izay arotsaka isaky ny herinandro any amin`ny minisiteran`ny vola..


Zon`ny olom-pirenena ny mahazo pasipaoro kanefa mitaky adidy sy andraikitra izany. Zon`ny olona iray ny mivezivezy kanefa andraikiny kosa no milaza ny firenena handehanany. Tsy ho foana ny kolikoly raha samy maika amin’izay mahametimety azy ny tsirairay na koa mitarazoka loatra ny fikarakarana sy fikirakirana taratasy. Mila mijoro ho modely amin’ny fampiharana ny lalàna sy ny fanajana azy kosa anefa ireo mpiasam-panjakana fa tsy izy ireo indray no mampiana-dratsy ny vahoaka.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT