Hanomboka afaka 28 andro ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-44, raha ny fanambaran’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina ny sabotsy teo tany Ambatondrazaka no arahana.
Ary nanamafy ny ministry ny asa vaventy Eric Razafimandimby fa hotanterahana tokoa izy io fa tsy mijanona ho resabe. Fanaovana “terrassement” sy fandrakofana tara ny ampahan-dalana tsy misy izany no atao mandritra ity asa ity araka ny fanazavany, ka ireo antsoina hoe “point noir” no tena laharampahamehana. Ny atao hoe “point noir” moa dia ireo toerana be fotaka ka tapaka lava sy mampikatso ny fifamoivoizana amin’ny andro fahavaratra. Araka ny fanazavan’ny ministra ihany dia ny eo anelanelan’i Vodihala sy Marovoay no tena ahitana ireo “point noir” ireo, ka mila amboarina. Volan’ny fanjakana madiodio no hanaovana ny asa rehetra, ary efa eo am-pikarakarana ny tolo-bidy ny ministeran’ny asa vaventy amin’izao fotoana, ka ho fantatra miandalana eo ihany izay hahazo izany, ary amin’izay fotoana izay ihany koa vao tena ho fantatra mazava ny tetibidin’ny asa rehetra, hoy ihany ny ministra Eric Razafimandimby.
Izao no natao moa dia ny mba hanala fahasahiranana ny tantsaha mpamokatra any amin’iny faritr’Alaotra iny amin’ny famoahana ny vokatra. Dia samy miandry izany ny rehetra ny amin’ity fampanantenana goavan’ny FAT hanamboatra ny RN 44 ity. Ny fanirian’ny rehetra fotsiny dia mba ho vita tsara ny lalana fa tsy sanatria asa vonjy tavanandro ka sady hikitaontaona no ho mora simba tahaka, ilay by bass-n’ny FAT, mampitohy an’Ankadimbahoaka amin’ny By pass tena izy. Izay novonjena natao faran’izay haingana ary dia hita fa tsy manaraka ny fenitra tokony ho izy mihitsy fa sady manify ny tara no efa misy lavaka sahady, ary tena hita be mihitsy ny fahasamihafany amin’ilay by bass tena izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.