Efa tamin’ny herinandro ambony no nanao antso avo momba ny tsy fisian’ny taratasy fanaovana kara-panondro any amin’ny distrikan’Arivonimano ny depiote Rakotomanjato Rodin, saingy tsy nisy namaly.
Any amin’ny elanelana 25km, toy ny any Ambohimandry, izay kaominina lehibe no antsoina mankany Imerintsiatosika. Ny any avaratra, ahitana an’Ambohimasina, Antambolo, Tsimadilo antsoina hiakatra ao Arivonimamo. Fa nahoana ny olona no antsoina mankany kanefa ny nifanarahana tamin’ny lalàna navoaka tao amin’ny antenimieram-pirenena dia hisy fitaovana be dia be hovidiana ? Io no nanaovanay tsangan-tanana ary eo no mahatonga anay hikoropaka, fa nankaiza ny vola ary nahoana no tsy atao ? Nolazaina fa misy bisikileta, moto, fiara tsy mataho-dalana, fakan-tsary, masinina isan-karazany entina eny ambanivohitra. Nisy volabe 3 miliara natokana ho amin’izany ary nisy 1 miliara navoaka, izay tsy fantatra mazava hoe ireny nampiasaina tany Antsohihy naparitaka tamin’ny fahitalavitra TVM ireny ve ? Ilay 2 miliara tsy navoakan’ny minisiteran’ny vola. Tsy misy vola iasana ny eny anivon’ny distrika. Ny vola 140 tapitrisa tokony hatao solika hiasan’ny distrika ihany koa tsy nivoaka. Ny taratasy fanaovana kara-panondro tsy tonga eny ambanivohitra. Nankaiza ny vola ary takiako ny hoe avoahy ny vola hiasana, hoy io depiote io. Misy olona tsy Malagasy ve eto Madagasikara ka hiangarana sy tsy homena kara-panondro ? Ary ireny aseho amin’ny fahitalavi-panjakana TVM ireny izany notsongaina manokana fa misy kosa ny verezin-jo ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.