Actualités

Fanamboarana ireo fefiloha eny Soavina Miandry ny fanjakana


  • Talata 07 Aprily 2015

Fianakaviana 31 rava trano, izany hoe tsy manan-kialofana intsony sisa no tsy tafaverina amin’ny trano nisy azy ireo teo aloha eny amin’ny kaominin’i Soavina. Araka ny fanazavan’Atoa Rakotoarisoa Rigobert, ben’ny tanànan’i Soavina dia efa ritra ny rano ary efa namonjy ny fonenany izay mbola manana izany. Ankoatra ny fahasahiranana amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny asa fivelomana dia ny fahitana rano fisotro madio no tena raharaha be ho an’ny mponina. Soa ihany, hoy Atoa ben’ny tanàna fa manampy be dia be ny minisiteran’ny Rano amin’ny famatsiana rano madio ireo vahoaka.

 


Eo amin’ny fanarenana ny fotodrafitrasa simba dia efa nanomboka nanamboatra  ireo lalankely simba ny kaominina sy ny vahoaka eny an-toerana. Fa eo amin’ny fanarenana ireo fefiloha dimy sy ny lalàna lehibe mampitohy ireo kaominina eny Atsimondrano kosa dia mitodika any amin’ny filoham-pirenena ny mason’ny mponina eny Soavina. Miankina amin’ny fahavitan’ireo fefiloha  ireo mantsy ny ahafahana mamboly na tsia eo amin’ireo tanimbary mahatratra 472 ha. Efa fampanantenana nataon’ny fitondrana nandritra ny dian’izy ireo teny an-toerana moa izany ka dia miandry ny vahoaka.

 

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT