Actualités

Fanamboaran-dalana Toliara-Analamitsampy Ho vita afaka 2 volana ny « terrassement »


  • Alatsinainy 08 Jona 2015

« Afaka roa volana dia ho vita « terrassement » tanteraka ny 16 km sisa ambiny amin’ny amin’ny RN9, ary mizotra ara-dalŕna ihany koa ny fanamboarana ireo « dalot » sy « dalle » fivarinan-drano », hoy i James Guo, talen’ny orinasa sinoa « China Railway » manamboatra ny lalam-pirenena fahasivy mampitohy an’i Toliara sy Analamitsampy, mirefy 107 km, ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fitsidihana nataon’ny mpamantsy vola (BAD) sy ny avy amin’ny fitondram-panjakana malagasy, izay faly nijery ifotony ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ho tara ny RN9.

 

163 km hatao tara

« Hitarina hatrany Befandriana Atsimo (163 km miala an’i Toliara), raha tokony hifarana eto Analamitsampy (PK 107) ny fanamboarana tara ny RN9, satria mbola misy ambiny ny vola 100 miliara ariary », hoy ny minisitry ny Asa vaventy, Roland Ratsiraka. Hasiam-panarenana ihany koa ny tetezan’i Belalanda, Manombo ary Ranojaza (Ankililoaka), ary ny 20%-n’ny asa fanamboarana tetezana vaovao mirefy 240 m, mitentim-bidy 12 miliara ariary ao Befandriana Atsimo distrikan’i Morombe no vita ankehitriny.

RN 10, hatao « goudron » amin’ny 2016

Hanomboka ny taona 2016 io ny asa fandrakofana tara ny RN 10 (Andranovory Toliara - Ambovombe Androy), raha efa mandeha amin’izao ny asa fanamboarana amin’ireo « points noir » lalana mirefy 100 km. « Nomena tombon-dahiny manonkana ny faritra Atsimo Andrefana ho havokavoky ny fampandrosoana. Tsy hoela dia hatomboka ny asa fanamboarana ny RN 15 (Sakaraha - Ankazoabo Atsimo- Beroroha) mirefy 120 km », hoy ny minisitry ny Asa vaventy, namarana ny tafa tamin’ny mpanao gazety,  ny sabotsy teo.


 

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT