Mahavelom-bolo ny mpitondra fiara eto an-drenivohitra ny fanaovana tip-top an’ireo lalana tena nahitana lavaka nanimba fiara tao ho ao na dia vao mainka nitombo aza ny fitohanan’ny fifamoivoizana.
Ao anatin’ny mangidy, hono, no misy ny mamy ê ! Fa raha mba orinasa ampy fitaovana toy ireny “Projecteur” ireny kosa anefa no nomena ny asa dia amin’ny alina mahakely ny fifamoivoizana no nanatanterahana azy dia azo antoka ny fihenan’ny amboteazy. Fa ny zava-mahagaga dia hita ho tsy misy fandrindrana asa mihitsy eo amin’ireny orinasa kely mpanao lalana ireny sy ireo mpitandro ny filaminana mandrindra ny fifamoivoizana eto Antananarivo eto. Tsy tazana mihitsy ry ingahy polisy raha vao misy mpanao lalana amin’ny toerana efa mahazatra azy isan’andro. Voatery mandray fepetra mandamina ny fifamoivoizana ireo mpiasa mpanao lalana nefa zavatra tsy hay ka korontana indray no hita. Matetika aza tsy asian’ny saofera maro sira, hoy ny fitenin-jatovo, ireny mpiasa kely manondro lalana ireny fa hoe vendrana tsy mahay n’inona n’inona ary mahazo ompa mihitsy aza matetika.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.