Actualités

Fanambaran’ny jeneraly misotro ronono Namaly bontana ny minisitry ny fiarovana


  • Zoma 13 Aprily 2018

Namaly bontana ny fanambarana nataon'ireo miaramila manamboninahitra misotro ronono tetsy amin'ny Hotely La Rotonde Besarety ny alarobia teo ny minisitry ny fiarovam-pirenena ny Jeneraly Béni Xavier Rasolofonirina omaly.

  Nampametra-panontaniana, hoy izy, ireto manamboninahitra milaza ho zoky mpananatra ireo zandry kanefa nisy tamin'izy ireo no tompon'antoka tamin'ny fanapotehana sy fambolena krizy ny firenena raha tsy hiresaka afa tsy ny raharaha 2002, izay nahasaringotra ny jeneraly iray efa misotro ronono tamin’ny famonoana ireo mpianatra ho manamboninahitra tao amin'ny sekoly ambony ao Ampopoka Fianarantsoa. Hita taratra  fa tetika hampisaraham-bazana ny foloalindahy no tian'izy ireo hahatongavana, raha ny fanehoan-keviny, hoy izy. Fampiasana ireo foloalindahy hatrany mantsy no nahazoana fahefana teto ka izay no tanjon'izy ireo, ka izay no haverin’ny minisitry ny fiarovana fa ao ambadika. Tsara ny mampahatsiahy, fa nialoha izao zava-drehetra izao, dia efa nisy ny fanambarana politika nataon’ny minisitry ny fiarovana momba ny tsy tokony hitsabatsabahan’ny vahiny amin’ny resaka fifidianana, indrindra ny resaka fahafahana na tsy fahafaha-mirotsaky ny kandida. Inona no tena tanjona ny amin’izany ? Hiaro ny fanjakana HVM hatramin’ny farany amin’ny amboletra hisakana kandida atahorana ve ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT