Actualités

Fanambaran’ny FIGN


  • Alakamisy 20 Mey 2010


An-daniny, fitakiana ny 2.500.000.000 fmg no nahafantarana ny FIGN. Nanao ny fitakianay izahay satria mangetaheta fahamarinana.

Tsy nandray andraikitra anefa ny fitondrana ankehitriny tamin’ny mety hamahana ny olana, toa very anjambany ny fanadihadiana hatramin’izao.
An-kilany, manjaka ny tsy rariny ankehitriny, ny fisamborana etsy sy eroa, ary izahay dia vonona hijoro amin’izany hatramin’ny farany.
Koa manentana ny malagasy mpiray tanindrazana izahay, izay rehetra mahatsapa ny tsy rariny ankehitriny miseho eto amin’ny firenena sy ireo namaly ny antso nataon’ireo sous-officier FIGN, ho tonga eo amin’ny Mausolée arrêt 194 rahampitso (anio) 20 mey 2010 amin’ny 08 ora hiara-hientana aminay.
Tongava fa hiaro anareo izahay amin’ny herinay rehetra. Izany no hatao dia mba hitadiavana vahaolana miaraka manoloana ny fahapotehan’ny firenena malagasy ankehitriny sy mba hivoahana amin’izao krizy izao
 
Mba ho fanavotam-pirenena!

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT