Nanao rodobe teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana nanao fanambaram-pananana ho an’ity taona 2017, omaly,
ireo mpikambana miisa sivy mianadahy eo anivony Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana na CENI, nahitana an’i Rakotomanana Yves Herinirina, filohany sy ny kaomiseram-pifidianana isany, Rakotonarivo Manantsoa Thierry, Ramahadison Solofonirina Olivier, Andriamanantsoa Philibert Hervé, Andriamanana Charles, Rakotonirina Fanomezantsoa Andriatsimiala, Razafindraibe Ernest Joseph Gilbert, Rakotondrazaka Fanomezana Espéré ary Raharinarivonirina Maria. Lalàna no mandidy ny tokony hahaovan’ny olom-panjakana ambony ny fanambaram-pananana ary havaozina isan-taona izany. Ry zareo CENI no nisantatra ny fanatanteraka izany tamin’ity taona vaovao ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.