Nifarana omaly 31 mey ny fe-potoana farany tokony hanaovan’ireo tompon’andraiki-panjakana fanambaram-pananana, ka nanao antso fanineniny mba hanatanterahan’ireo mpiasam-panjakana tokony hanao io fanambaram-panana io izany ny Bianco.
Anio ny fe-potoana farany nomen’ity sampandraharaha miady amin’ny kolikoly ity ireo tsy mbola nahavita, ary milaza ny hiroso amin’ny sazy izy ireo aorian’izay. Tsy hay aloha na mba tena sahy hiditra sy hanatanteraka izany ny Bianco na fanairana fotsiny io fandrangarangana sazy io fa ny ampitso no hitsara azy. Toa tsy mahataitra ireo olom-panjakana anefa izany satria zara raha misy 161 amin’ny 1725 tokony hanao fanambaram-pananana no nahavita an-tsakany sy an-davany izany hatreto. Ny lalàmpanorenana mihitsy no mandidy ireo olom-panjakana toy ny filoham-pirenena, minisitra, loholona, depiote, ben’ny tanàna, ny mpitsara, ny mpitandro filaminana sy ireo olona mitazona andraikitra ambony ao anatin’ny fitantanan-draharaham-panjakana…hanao io fanambaram-panana io saingy miteny ho azy ny isa, izay toa midika ho azy fa tsy tan-dalàna ny mpitondra eto amin’ny firenena ary manome lesona ratsy ho an’ny vahoaka. Fampidirana am-ponja enim-bolana ka hatramin’ny dimy taona miampy lamandy 50 tapitrisa ka hatramin’ny 200 tapitrisa ariary no miandry ireo tsy nahavita fanambaram-pananana. Eo am-pijerena ny lisitra moa ankehitriny ny Bianco ary havoaka tsy ho ela ny anaran’ireo tsy mbola nahavita izany, araka ny fanazavana. Tsara ny mampahatsiahy fa efa nihemotra in-telo ny famindram-po nomen’ity rafitra miady amin’ny kolikoly ity ireo olobe manam-pahefana eto amin’ny firenena. Samy afaka mandray ny fanambaram-pananana moa ny Bianco sy ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana eny Ambohidahy, araka ny andraikitr’ilay olom-panjakana manao azy.
Légende:Ny mpikambana ao amin’ny CENI nanao fanambaram-pananana teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.
Ramano F sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.