Tsy rototra ! Izay no azo ilazana azy raha mijery ny fanadihadiana natao isam-pokontany mikasika ny fahavitrihan’ny olom-pirenena hanamarina ny anaran’izy ireo ao anaty lisi-pifidianana hatreto.
Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny fokontanin’Ankaditapaka avaratra anisan’ireo fokontany manodidina an’Antanimena dia 2 hatramin’ny 5 isan’andro amin’ny mponina 1000 no tonga manamarina ny anarany tao anaty lisitra ho an’ny fokontany misy azy ireo. Azo heverina ho miabo ihany anefa raha oharina amin’ny hatramin’izay io tarehimarika satria efa mandeha ny fanentanana. Efa voatitra tany amin’ny komity mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI moa ny lisitra ho an’ity fokontany ity, raha ny fanazavana. Tsy lavitra eo fa ao amin’ny fokontany Antohomadinika avaratra kosa dia nisy fotoana herinandro, hoy ny tompon’andraikitra, tsy nahitana mpanamarina ny anarany tao anaty lisitra mihitsy ary tsy ampy ny ampahefatry ny mponina 1700 ao an-toerana akory izany. Raha nohadihadiana kosa moa ireo mponina avy amin’ny fokontany hafa toa an’Ambohitrakely sy Ambohidahy dia saika tsy mbola nahatontosa izay fanamarinana anarana anaty lisi-pifidianana izay avokoa.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.