Actualités

Fanamarihana ny fetim-pirenena Ahiana indray ny savorovoro ?


  • Talata 06 Jona 2017

Milaza ny ho hentitra ny mpitandro ny filaminana mandritra ny fanamarihana ny fetin’ny fahaleovantena, indrindra fa ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra.

Resahina hatrany io isan-taona fa miseho ihany ny tsy ampoizina. Ilaina ny mailo fa tsy kely lalana ny ratsy, ka sao matimaty foana toy ny valala nosamborim-boka, hoy ny fitenenana. Mandry  tsy lavoloha ny Malagasy. Mety tsy hisy hifety am-pilaminana intsony na eo amin’ny hoenti-manana na eo amin’ny rivotra politika iainana eto amin’ny firenena. Toa fety mihosin-dra hatrany rahateo no niseho hatramin’ny nitondran’ny HVM an’i Madagasikara. Ahiana hiverina indray ny zava-doza toy ny fipoahana sy ny ra nandriaka niseho teny Anosy ny 25 janoary 2014, fotoana nanaovan’i Hery Rajaonarimampianina fianianana. Nitohy izany ny alin’ny 26 jona taoriana kelin’ny nandaozan’ny filoha ny Kianjan’i Mahamasina. Tsy mivoaka hatramin’izao ny marina momba ireny zava-doza ireny. Tsy niandry ela anefa ny filoham-pirenena fa ny alin’ny loza ihany dia nanao kabary nanasoketa ireo mpanao politika tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana, tsy nisy na mpanao politika iray aza nosamborina. Na ny mpitandro ny filaminana aza nivadibadi-dela matetika. Mbetika niteny fa efa fantatra ny olona nanatanteraka iny fandatsahan-dra mahatsiravina iny, saingy efa tafaporitsaka any ivelany, ary mbetika nilaza fa mitohy hatrany ny fanadihadiana. Raha mitombina fa misy ambadika politika ny fandatsahan-dra toy ireny dia mety ho ny mpitondra ihany no ao ambadika mba hanasoketana sy handotoana ny mpanohitra. Azo heverina ihany koa fa ny mpanohitra no ao ambadika mba hanozongozonana ny fitondrana. Na iza na iza no mety ho ao ambadika dia fahendrena ho an’ny vahoaka ny mailo, indrindra fa mandritra an’ireny fety aman-danonana mahavory olona maro ireny. Tsy azo antoka mantsy ny filaminana eto Madagasikara na ambanivohitra io na an-tanàn-dehibe.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT