Feno 20 taona ankehitriny ny CJD na ny fikambanan'ny mpanao gazety Zokiolona eto Madagasikara. Hotanterahina any Antsirabe ny zoma 20 sy sabotsy 21 novambra ho avy izao ny fanombohana ankoatra ireo hetsika maro hankalazana ny fanamarihana.
Nofidiana manokana ny fankalazana hatao any Antsirabe, hoy i Tahitsy Gilbert filoha am-perinasan'ny CJD noho ny fisian’ny ivontoerana ambony mampianatra ny asa fanaovan-gazety any an-toerana dia ny ESSVA izay fantatra fa hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanatontosana ny hetsika any an-drenivohitry ny ranovisy. Ankoatra ny hetsika fampahafantarana io fikambanan’ny mpanao gazety Zokiolona io amin’izany dia fantatra fa hisy ny famelabelarana arahina adihevitra izay hatao ny sabotsy 21 novambra tolakandro ka hotarihan’ny mpampianatra manampahaizana manokana avy amin’io sekoly ESSVA io ary hifantoka betsaka amin'ny lohahevitra "Ny asa fanaovan-gazety sy ny firoborobon'ny teknolojia". Handray anjara amin’ny fanotronana ny hetsika ny Vondron'ny Mpanao Gazety any Vakinankaratra ary hifampizara traikefa amin’ireo zandry zanaka misahana ity asa ity ireo mpikambana CJD ireo na dia eo aza ny fahanterana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.