Tsy mametraka vidim-bary mazava intsony ny ankamaroan’ireo mpivarotra eny an-tsena amin’izao fotoana izao, indrindra fa ireo mpaninjara.
Noho ny fiakaran’ny vidiny no antony mahatonga izany izay nambaran-dRandrianarisoa Valonirina, tale misahana ny fisorohana ny hosoka sy ny fiarovana ny mpanjifa fa fanararaotana fotsiny ihany noho ny tsy fisian’ny ranon’orana. Tsy maintsy mbola hiakatra ihany mantsy ny varialoha amin’ny volana martsa ho avy io saingy mety hihena kely ny vokatra azo noho ny fahataran’ny ranon’orana. Tsy mipetra-potsiny ny tompon’andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny vidim-bary eny an-tsena ary tsy vao izao fa efa hatramin’ny ela. Tsy mbola nisy anefa ireo tratra nanafim-bary fa ny teto amin’ny Faritra Analamanga no mahalany 16.000-18.000 taonina isam-bolana. Tsy maintsy hiezaka ny fanjakana hanentsina ny banga sy tsy hampiakatra ny vidim-bary. Ho an’ity taona 2017 ity dia nampitomboina 40.000 taonina ny vary nohafarana any ivelany izay nomena ireo mpandraharaha efa matihanina raha 240.000 taonina isan-taona ny filàna ara-dalàna rehefa tsy misy tondra-drano sy hain-tany. Ny 8.000 taonina amin’ireo vary nohafarana ireo no nambarany fa efa an-dalana ary hiparitaka eny an-tsena tsy ho ela. Notsindriany manokana fa tsy maintsy mandalo analizy avokoa ireo vary nohafarana avy any ivelany hisorohana ny feo miely fa misy vary plastika eny an-tsena… Efa ananantsika ny laboratoara mifandraika amin’izany izay etsy Nanisana no misy azy, hoy hatrany izy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.