Actualités

Fanalam-baraka ny filoha tamin’ny facebook Nidoboka eny Antanimora ilay tovolahy


  • Alatsinainy 11 Desambra 2017

Niaiky ny helony rehefa nohadihadian’ny polisin’ny BC ilay tovolahy mpamoaka sary sy mpaneho anaty tambajotra facebook, ary dia nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora nanomboka ny sabotsy teo.

 

 Ny alakamisy 7 desambra izy no voasambotra teny Itaosy niaraka tamin’ny fitaovana rehetra fampiasany. Sarin’ny filoham-pirenena namboarina sy nampivadiana tamina zavatra hafa ka namoaka sary mamoafady no vesatra iray iampangana ity tovolahy ity. Sary novaina ka noraisin’ny fitsarana ho fanosoram-potaka sy fanalam-baraka fa tsy misy idiran’ny fanehoan-kevitra an-kalalahana intsony. Ankoatra izay, fantatra ihany koa fa mbola ity tovolahy ity no nanaparitaka tao anatin’ny facebook ihany ny sarin’ny zanaka vavin’ny filoham-pirenena niaraka tamin’ny mpanolotsaina iray izay tena akaiky ny filoha ary nilaza fa hoe « mpisipa » izy roa ireo.  Manana ny fitaovana sy ny teknolojia hikarohana ny olona manaparitaka zavatra mamoafady na mihantsy fikorontanana sy fandranitana na manao fanalam-baraka amin’ny alalan’ny « internet » ny polisim-pirenena ary efa nanamafy fa tsy sarotra amin’izy ireo ny mikaroka ny loharano niavian’ny famoahana zavatra iray raha mbola eto Madagasikara. Tsara ihany ny hanavahana ny fanehoan-kevitra malalaka sy ny fanosoram-potaka fa samy hafa tanteraka ny lalàna mifehy an’ireo. Raha sanatria ka noho ny antoko politika  no hanaovan-javatra mamoafady iray dia tokony hieritreritra ihany ny irakiraka manao izany fa rehefa tonga ny andro sarotra dia izy no hidoboka am-ponja fa ny atidoha mpaniraka tsy ho hita ary ny mpanao politika aza mihavana sy mifandray tanana ihany avy eo. Misy tsiliantsofina re milaza fa fianakaviana mpanao politika iray akaikin’ny filohan’ny tetezamita teo aloha ity tovolahy nidoboka am-ponja noho ny fanalam-baraka anaty facebook ny filoham-pirenena ity.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT