Taitra ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena ary manomboka masiaka manoloana ny endrika tsy fanarahan-dalàna miseho any anaty tambajotram-pifandraisana ara-tsosialy amin’izao fotoana izao.
Ny faran’ny herinandro teo, nahoraka ny resaka momba ny kolonely Lylison, izay nolazaina olona iray fa ny jeneraly Paza Didier Gérard, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena no manafina azy. Nandiso io vaovao io ny zandarimaria ary milaza ny hampiasa ny zony rehetra hahafaha-manenjika ny tompon’ilay kaonty nampiasaina amin’ny anaran’olona antsoina hoe "Patrick Rajaonarivelo", izay tsy fantatra na tena anaran’ilay olona nandefa ny hafatra na mba anarana napetrapetraka fotsiny na ilay ambaran’ny mpanao fesiboky hoe “kaonty fosika”. Ny mahagaga dia hoe nahoana no rehefa ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena no voakitikitika vao taitra sy milaza fa handray fepetra fa rehefa ny vahoaka no voa toa mitaredredretra ary tsy hita izay tena fandraisan’andraikitra ? Efa misy ny lalàna manasazy ny fanaparitahana vaovao tsy mitombina any anaty internet sy ireo tambajotran-tserasera, saingy na izany aza dia misy ihany ny olona sahy mandefa tsaho sy vaovao tsy mitombina. Efa azo atao tsara anefa ny mikaroka ny fiavian'ny zavatra tahaka ireny amin’izao fihazakazaky ny teknolojia izao. Tsiahivina fa ny tapaky ny volana septambra 2016 dia efa nisy lehilahy avy eto Madagasikara nitonona ho avy amin’ny vondrona mpampihoroho islamika “Daech” ary nandrahona ny hanapoaka fiaramanidin’ny kaompania Frantsay iray raha toa ka tsy manome volabe 85 000 Euros ilay kaompania. Rehefa nampiasaina ny teknolojia dia fantatra fa teny Itaosy Antananarivo niaingan’ny hafatra ary tra-tehaka ilay lehilahy.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.