Actualités

Fanalam-baraka anaty facebook Olon'ny fitondrana no ao ambadika ?


  • Alarobia 01 Martsa 2017

Sesilany ny fanalam-baraka sy ny fanehoana teny mamoafady tao anaty vondrona facebook iray fantatra amin’ny anarana hoe “Ndao handalina politika avo lenta”, saingy toa afa-maina sy iniana tsy resahina ny momba ny mpandrindra io vondrona iray io.

 Teny tsy faneho masoandro no nivoaka ary saika isan’andro no nahitana izany teo aloha teo, kanefa tsy mba nisy ny fepetra noraisin’ny manampahefana fa dia navela handeha ho azy tsy nisy olana. Mpanao politika, olo-malaza, mpandraharaha… no efa lasibatra. Tsy mba toy ny zava-nisy natao tamin’ilay mpanakanto Hiary Rapanoelina izay nampidirina am-ponja vonjimaika mihitsy anefa ny natao tamin’ny mpandrindra io vondrona io, izay mpanao politika fantatra amin’ny anarana hoe R.A araka ny fanadihadiana natao. Mpanohana fatratra ny fanjakana HVM io mpanao politika io, ka izay no mety tsy hikitihana azy, hoy ny mpanara-baovao. Tsy mahagaga raha tsy mba voakitikitika sy tsy hiharan’ny lalàna satria akaikin' ny mpitondra. Iaraha-mahita sy iaraha-mahalala rahateo fa mpitondra fanjakana ny ankamaroan’ireo olona tompon’ny afera sy ny bizina maloto eto amin’ny firenena ary malalaka amin’izay rehetra atao fa tsy mba voafehin’ny lalàna. Tena baranahiny tanteraka ny zava-nisy ary tsy ho olon-tsotra mihitsy no hanana fahasahiana tsy roa aman-tany ka handeha hanao fanalam-baraka sy hamoaka tsiambaratelo ary handefa teny mamoafady any anaty tambajotran-tserasera. Nahoana no tsy nanokafana fanadihadiana sy nokarohana ny "administrateur" an'io pejy facebook io raha toa ka nofaizina ny mpikarakara ny pejy "fosafosa" ? Matoa ny fanjakana tsy mandray fepetra sy minia mikimpy manoloana izany, dia mety ho ny mpanao politika akaiky ny fitondrana na ny manampahefana ihany no ao ambadik’ireny zava-doza tsy faneho masoandro ireny.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT