Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha Hiary Rapanoelina, nampidirina am-ponja vonjimaika noho ny tsy fahafehezany ny vondrona facebook “Fifosana hanatsarana ny pipoles Gasy”,
izay naoriny. Tsy tapitra hatreo anefa ny resaka fanalam-baraka any anaty fesiboky fa vao mainka mirongatra. Anisan’ny ahitana resaka fanalam-baraka sy teny tsy faneho masoandro ihany koa ny vondrona iray mifototra amin’ny fandalinana politika be mpikambana. Mpanao politika iray fantatra amin’ny anarana hoe R.A no voalaza fa mpandrindra io vondrona io. Sesilany ny resaka ompa sy teny ratsy variraraka izay ary fanalam-baraka mpanao politika, mpanakanto, mpandraharaha... saika isan’andro kanefa tsy misy ny sivana ataon’ny mpandrindra ilay vondrona. Tsy misy tompon’andraikitra mahita ve ireny zavatra ireny sa dia minia mikimpy izy ireo ? Natao ho an’iza ihany koa ny lalàna ? Toa misy mantsy ny voasazy ary misy ny tsy voakitika na dia efa hita aza fa misy ny tsy mety. Voalaza fa mpanohana ny fitondrana ilay mpandrindra ny vondrona ka izay no tsy hikitihana na hisamborana azy, nefa raha ny tokony ho izy dia miditra am-ponja avy hatrany tahaka ny nanjo an'i Hiary ity mpanao politika ity. Maro no velom-panontaniana hoe sao dia ny mpitondra ihany no ambadik’ilay resaka fanalam-baraka ao anatin’io vondrona io mba hamotehana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny tena ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.