Tsy azo ekena eto Madagasikara na oviana na oviana ny lalàna manaiky ny fanambadian'ny olona mitovy taovam-pananahana,
hoy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa vao andro vitsy lasa izay. Rehefa halefa lavitra ny saina dia toa mampametra-panontaniana ihany hoe : nisy ve ny fikatsahana hanisika io lalàna io hodinihina sy holaniana eny amin’ny antenimieram-pirenena ka ny an’io filohana andrim-panjakana io no nataony tonga aloha ? Tsy tongatonga ho azy ireny, ary mahalala tsiambaratelom-panjakana maro izany filohana andrim-panjakana izany, ka asa na misy andian’olona mety ho olona ambony te hampiditra azy holaniana sy havela ho malalaka eto Madagasikara. Ny firenen-dehibe sasany, dia mivoy an’io ho fahalalahana, ary tsaroana tsara ny kabarin’ny praiminisitra Kanadianina Justin Trudeau teto Madagasikara ny volana novambra 2016 nandritra ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia nilaza fa tokony havela malalaka eto ny LGBT (Lesbian, Gay, Bisexual and Transgender) na ny fiarahan’ny mitovy fananahana. Ho an’ireo firenen-dehibe mivoy sy maniry ny tsy tokony hisakanana an’io dia voizina, fa mariky ny fahalalahana izany. Na ny kolontsaina Malagasy na ny baiboly eny ny finoana rehetra dia samy tsy mankasitraka an’io avokoa. Foto-kevitra iray iraisan’ny finoana Kristianina sy ny silamo io, saingy mihazakazaka maneran-tany ihany koa amin’izao ny fanapariahana azy io. Misy resaka volabe mihodina mihitsy aza, ary eto Madagasikara dia efa tena manomboka mihazakazaka ny fanapariahana azy io, ka misy tambajotra misy fifandraisany amin’ny any ivelany mampiasa volabe mihitsy hanalalahana ny LGBT. Mety hisy olona any anaty fanjakana ihany koa aza ao anatiny, ka mitetika ny hamela malalaka izany amin’ny alalan’ny fankatoavana araka ny lalàna matoa mivoaka sy miverina indray ity resaka ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.