Actualités

Fanairana ny fanjakana be marenina Hidina an-dalambe ny sendikan’ny mpiasa


  • Zoma 13 Aprily 2018

Omaly no nanao fanambarana tetsy amin’ny hotely Grand Mellis Analakely ny Sendikalin’ny Mpiasa mivondrona ao amin’ny Fiaraha-midinika ny Mpiasa Malagasy (CTM) sy ny SSM (Solidarité Syndicale de Madagascar).

Fanentanana ny mpiasa rehetra tsy ankanavaka no nataon’izy ireo ny amin’ny diabe hotanterahina amin’ny fetin’ny asa amin’ny talata 1 mey ho avy izao. Hiainga avy eny Mahamasina amin’ny 8 ora maraina ny filaharana ary hihazo ny Parvis manoloana ny lapan’ny tanàna Analakely. Hisy ihany koa ny famelabelaran-kevitra arahina adihevitra momba ny karama mahavelona amin’io fotoana io. Tanjona ny hanairana ny fanjakana sy ny tompon’andraikitra rehetra ny amin’ny fomba mamohehitra rehetra misy eto Madagasikara ny amin’ny tontolon’ny asa. Anisan’izany ny fanaovana herisetra amin’ny vehivavy, fampihorohoroana ny mpiasa mitaky ny zony, fanaovana kolikoly isan-karazany izay mandany ny volam-bahoaka. Manginy fotsiny ny teny midina tsy maintsy arahana sy ireo trindry hazo lena mahazo ny mpiasa any amin’ny toeram-piasana any. Mitaky ihany koa izy ireo ny hamerenana amin’ny mpitandro ny filaminana ny tena andraikiny dia ny hiaro ny vahoaka sy ny fananany fa tsy ho herim-pamoretana tahaka ny misy amin’izao fotoana izao. Taorian’ny kiririoka fanairan’ireo mpandraharaha dia ireto sendikalin’ny mpiasa ireto indray izany aloha no hanaitra an-dry zareo be marenina. Iaraha-mahalala fa tsy misy politika mazava ny amin’ny famoronana asa eto fa fanakatonana orinasa Malagasy indray aza no natao. Miakatra hatrany ny tahan’ny tsy fananana asa sy ny kolikoly izay mampirodana ny toekarena Malagasy.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT