Fanafihana ny Toby 1

RM3 MD ny miaramila 7, LP kosa ny an’ilay Polisy


  • Zoma 21 Mey 2010

25 andro aty aorian’ny zava-nisy teo anivon’ny Toby miaramila 1/RM3 Toamasina, raharaha nitranga ny misasakalin’ny 25 aprily, ka nahavery ireo basy sy fitaovam-piadiana mahery vaika tao, vao niakatra teo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana ny raharaha.

Ny alarobia 19 mey no anjaran’ireo miaramila 7 lahy voarohirohy tamin’ity raharaha ity. Araka ny didy navoakan’ny mpitsara zokiolona nanao ny famotorana dia miandry ny fitsarana azy ao Ambalatavoahangy izy 7 lahy ireo. Nandritra izao fiakarana mpitsara zokiolona mpanao famotorana izao koa anefa, no namoahan’ity mpitsara ity didy fampisamborana ity polisy avy ao amin’ny FIP Toamasina, izay voatonontonona tamin’ity raharaha ity fony mbola teny amin’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena misahana ny ady heloka sy ny fikarohana ny raharaha. Efa nisy fotoana nanaovana fampiantsoana ity polisin’ny FIP Toamasina nandritra ny fanadihadiana, izay antony nahatara ny fandefasana ny antontan-taratasin’ady teny amin’ny Fitsarana, ny tsy famaliany io fampiantsoana azy io, ka izao namoahana didy fampisamborana ny alarobia izao.

Raha vao naheno izany ity polisin’ny FIP ity, dia nitolo-batana teny amin’ny zandary nanao ny fanadihadiana ny alarobia ihany. Ny alakamisy 20 mey tolakandro kosa no niakatra fampanovana sy mpitsara zokiolona mpanao famotorana ny raharaha, nefa noho ny “intervention” henjana nataon’ny polisy hiarovana ny namany, izay heverin’izy ireo fa tsy misy ifandraisany amin’izao raharaha 1/RM3 izao, dia nohafahana vonjy maika ity polisin’ny FIP ity. Ny 28 mey izao no hanaovana ny fanadihadiana lalina mikasika ny raharaha, ka ho hita eo indray ny vokany sy ny seha-pitsarana mety mahefa hitsara ny raharaha, satria fihazonana fitaovam-piadiana mahery vaika sy fangalarana izany ary fidirana an-keriny anaty toby miaramila miaraka amin’ny fandratrana olona an-tsitrapo no anenjehana azy ireo.
Re anefa izao, fa tezitra mafy ny miaramila sy ny zandary nanao ny fanadihadiana izay mihevitra fa mifaningotra avokoa ireo voarohirohy tao anatin’ity raharaha ity, araka ny fahitan’izy ireo azy. Anisan’ny mahatezitra azy ireo koa, indrindra ireo miaramila, dia ny namany 7 lahy be izao no nogadraina miandry fitsarana fa ny mpiara-dia aminy izay polisy sy kolonely sy kapiteny ary ireo sefo samy hafa ara-miaramila nohafahana sy tsy nokitihina mihintsy. Tantara mitohy ity raharaha 1/RM3 ity. Ho hita eo ny tohiny aorian’ny 28 mey ho avy izao.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT