Roa andro taorian’ny fanafihana ny tranombarotra “La hutte canadienne” Tanambao V Toamasina ka nahaverezana vola 9.200.000 ariary, dia saron’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Toamasina renivohitra ireo jiolahy 03 amin’ny 04 nahavita izany. Tratra niaraka tamin’izy ireo koa ny basy vita gasy iray sy bala 03 ary ilay moto scooter fotsy nampiasain’izy ireo
. Vola 400.000 ariary kosa no mbola tratra tany amin’izy ireo, ary eo am-pikarohana ilay faha-04 lasa nitsoaka any ambanivolo ny polisy. Ankilan’ireo, dia tovolahy 07 ka tsy ampy taona ny 05 izay manodidina ny 15 taona hatramin’ny 17 taona, no saron’ny polisy tao Bazary kely teo am-panendahana sy am-pamakiana fivarotana ary tranon’olona. Voalaza ihany koa ary neken’ireto zatovo lahy ireto ny heloka fanaony dia izy ireo koa no mpangalatra moto miantsona amin’ny “parking” bazary kely sy fanakanana moto an-dalam-be manodidina ny “Gare routière” sy Lycée teknika. Mbola nahatrarana moto 04 ka ny iray efa noravan’izy ireo koa ireto andiana zatovo lahy jiolahy ireto nandritra ny fisavana nataon’ny polisy.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.