Actualités

Fanafihana ny «Génie du Mobile» Olona roa no efa any am-ponja !


  • Alatsinainy 23 Aogositra 2010

Tsy ela dia efa namokatra ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana mahakasika ilay fanafihana ny tompon’ny «Génie du Mobile”. Ny sabotsy 21 aogositra lasa teo mantsy dia efa nisy ny olona natolotra ny Fampanoavana.

Miisa roa izy ireo ary samy naiditra am-ponja vonjimaika etsy Antanimora avokoa. Raha tsiahivina dia jiolahy 12 izy ireo no nitontona tao amin’ilay trano izay sady manana basy ny tompony no manana basy ihany koa ireo mpiambina. Niditra tany amin’ny tamboho tsy misy olona izy ireo dia tafiditra tao an-tokotany. Teo indray dia natao takalon’aina avy hatrany ny havan’ny tompon-trano izay tsy afaka ny nanao na inona na inona na teny an-tanana aza ny basy. Lasan-dry zalahy tamin’ity fanafihana ity ny vola mitentina 8 tapitrisa ariary tao an-trano miaraka amin’ny finday maromaro ary koa ny kojakojan-tokantrano izay mora nobataina. Efa any am-ponja ny roa amin’ireo voarohirohy ho olon-dratsy. Mbola mitohy ny fikarohana ireo namany. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT