Actualités

Fanafihana ny FIGN «Tsy nanome baiko na ny minisitra na ny lehiben’ny Etamazaoro», hoy i Camille Mektoub


  • Alakamisy 10 Jona 2010

Nampitahain’i Camille Mektoub ny raharaha « 7 febroary 2009 », fanafihana ny lapam-panjakana tao Ambohitsorohitra sy ny « 20 mey 2010 », fanafihana toby miaramila sy vahoaka nivavaka teny Fort Duchesne.

Rehefa nanao ny fanadihadiany manokana manko ity solombavambahoaka ity dia nanazava, fa ho an’ny raharaha «7 febroary» dia voalaza fa efa nisy mpikarama an’ady voaomana hitifitra teny Antaninarenina. Hatramin’izao anefa dia tsy hita ireo mpikarama an’ady ireo, hoy izy. Momba ny teny amin’ny FIGN indray dia nambaran’ity mpanao politika ity, araka ny fanadihadiana nataony ihany fa tsy nahazo baiko na avy tamin’ny minisitry ny foloalindahin’ny FAT na ny lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika iny fanafihana iny, nefa dia olona nivavaka sy toby miaramila no notafihana. Ny zava-mahagaga anefa, hoy i Camille Mektoub dia ny olona notafihina tao amin’ny FIGN indray no lasa meloka ka nampidirina am-ponja ary ny mpitondra fivavahana izay notafihana ihany koa nogadraina. Momba ny fanenjehana ataon’ny praiminisitry ny FAT, Camille Vital, amin’ny komanda Roger Luc sy ny kolonely Raymond Andrianjafy indray dia nambaran’i Mektoub fa tsy andraikitry ny praiminisitry ny FAT izany ary misy koa ilay atao hoe “présomption d’innocence”, hoy izy. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT