Nisy namaky ny trano fivarotana firavaka Bijou’lux ao Bazaribe Toamasina. Ny talata 24 aogositra tokony ho tamin’ny 10 ora maraina no nitrangan’ny fanafihana. Karana no tompon’ny fivarotana.
Araka ny fanazavany, efa-dahy nisaron-tava sy nitondra moto scooter roa no tonga tao amin’ny fivarotana tamin’io fotoana io. Tao anatin’ny indray mipi-maso no nanaovan’izy ireo ny “operation”. Tetika efa maty paika ny fahitana azy ity, satria ny telo no niditra avy hatrany tao anatiny, ny iray kosa niandry teny ivelany manara-maso ny manodidina ary vonona ny hamely izay manelingelina raha misy izany. Novakian’izy ireo ny fitaratra misy ireo firavaka volamena sy ny famantaranandro lafo vidy, ka roa no vaky tamin’izany izay lasa avokoa ireo tao anatiny. Tsy mbola fantatra hatreto ny sandan’ireo entana lasa ireo. Tsy nionona tamin’izay anefa ireo jiolahy fa Ramatoa iray tonga hividy firavaka tao koa no voaendaka, ka lasa tamin’izany ny poketrany izay nisy vola iray tapitrisa ariary. Vao tafavoaka ny Bijou’lux anefa ireto jiolahy ireto dia nihazo tsy taitra ny lalana Ampasimazava mivoaka ny moron-dranomasina. Nanao taingin-droa tamin’ny moto izy ireo saingy tsy nety velona ilay faharoa voatery natosika nefa tsy afaka nanao na inona na inona ireo manodidina noho ny basy kalaky sy basy poleta narantirantin’ireto jiolahy ireto. Araka ny fantatra dia manana rohim-pihavanana amin’ny tompon’ny “Kalidas” voaroba iray volana lasa izay ity Karana tompon’ny “Bijou’lux” ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.