Actualités

Fanafihana mitam-basy tao Antsirabe Voasambotra ireo jiolahy


  • Sabotsy 22 Aogositra 2015

Saron’ny mpitandro ny filaminana avy tao amin’ny zandarimaria ny ampahan’ireo mpanafika mitam-basy tao Vakinankaratra tato ho ato. Mbola tratra teny amin’izy ireo ny basy calibre 12 efa namboarina.

 

 Fanomezam-baovao tamin’ny olon-tsotra nahita  ireo jiolahy nizara vola no nahafahana nisambotra azy. Raha tsiahivina, nanafika tany Ambatomena izy ireo ny voalohan’ny herinandro teo. Nisy ny nahatadidy ireo mpanafika ka hitan’izy ireo ny nizarany vola teo atsinanan-tsena-sabotsy. Niakatra bus izy ireo nony avy eo ka niantso zandary avy hatrany ilay mpanome vaovao. Nosakanana ary navily tao amin’ny tobin’ny zandary andranomadio ilay fiara ka sarona tao ny roalahy niaraka tamin’ny basy. Ireo avy eo no nanambara ny namany ka nosamborina tany Ananaifotsy sy Antananarivo ny namany 3 lahy sy ny vehivavy roa mpampiantrano azy teny Fiadanana, izay toerana efa nanaovan’izy ireo fanafihana ihany koa. Niaiky ireto jiolahy fa izy ireo no nanao ireny fanafihana nisesy eran’i Vakinankaratra ireny, toy ny tany Ambatomena, Antanambao sy Ambohibary ary Fiadanana. Mitohy ny fikarohana ireo namany hafa sy ilay basy kalak izay ambara fa ampiasain’izy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT