« Tsy jiolahy i Lazasoa Martin, fa komitim-pokontany mamy hoditra amin’ny mpiara-monina eto aminay. Fanosoram-potaka no nataon’ireo voromahery telolahy mpikarama an’ady avy ao Belemboka nilaza ho mpanara-dia. Rehefa nosavaina ny tranon’i Laza dia ny motony ihany no hita tao. Aminay, fanitsakitsahana olon-tsy manan-tsiny ny nataon’ireo voromahery, ka hanairanay ny sain’ny tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny amin’ny fandotoana atao azy »
Hoy ny fanambarana nosoniavin’ny fokonolona an-jatony, novakian’ny solontenan’izy ireo, dia Atoa Merika Naonia, sefo fokontany ao Ampasinabo, nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly tany Toliara. Nomarihan’ireo fokonolona fa tsy nisy solontenan’izy ireo tamin’ny fanarahan-dia sy ny fisavana ny tranon’ity mpianatry ny oniversite ity nataon’ireo voromahery. Raha ny loharanom-baovao iray dia fantatra fa sahiran-tsaina ny ao amin’ny fitsarana amin’ny tena marina amin’ity raharaha mamofona politika avolenta sy fanamparam-pahefana ity.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.