Actualités

Fanafihana M VOLA -Ambolokandrina Jiolahy 4 matin’ny polisy


  • Alakamisy 05 Novambra 2015

Jiolahy efatra no maty ary ny iray kosa no tafaporitsaka. Basy kalaky iray ihany kosa no tratra tamin’ireo nanafika ny tranombarotry ny Telma mikirakira itony « mobile banking » Mvola itony omaly teny Ambolokandrina eo amin’ny rond point akaikin’ny taksibe omaly antoandro tokony ho tamin’ny 1ora 30 antoandro.

 

 Raha vao niandoha ny fanafihana dia niantso ny  polisy tao amin’ny USI ny tompon’ilay tranombarotra ka  izay no nampalaky ny  fanenjehana. Nampita ny vaovao   avy hatrany tany amin’ny Service  Anti-gang ny  tao  amin’ny USI  avy eo  ka izay no  nahatrarana ireo mpangalatra ara-potoana. Toy ireny filma fahita amin’ny sarimihetsika ireny no nitranga. Dimy ireo jiolahy no nanafika. Avy ao amin’ilay mpivarokena izy dia namantana tao amin’ilay kioska telma. Nanao tifi-danitra in-dimy izy ireo rehefa azony ny nilainy mba hanaparitahana ny olona. Nitsoaka avy hatrany nihazo ny lalana Bibilava izy ireo. Nanoro ny polisy ny toerana nieren’ireto jiolahy ny mponina teny amin’ny manodidina, nohodidinin’ny USI sy ny SAG avy hatrany ilay toerana, raikitra ny fifampitifirana ary dia jiolahy 4 no lavon’ny balan’ny polisy raha tafaporitsaka kosa ny iray.Tsy mbola fantatra  mazava moa ny tena totalin’ny vola very noho ny  korontana nateraky ny fifanenjehana fa ny fantatra fotsiny  dia  tranombarotra M VOLA tena mahavantana ireo  mpiavy tena  maro be mipetraka amin’iny  manodidina  an’Ambolokandrina  iny ity  nisy  nanafika ity.


Ny  tompon’andraikitra  voalohan’ny  SAG  dia nanambara fa  efa  misy  fantatra sy  tsikaritry ny  mpitandro ny filaminana ihany  tamin’ireto  jiolahy  ireto ary nisy tamin’izy ireo no efa nanafika teny Madera Namontana ny herinandro lasa teo. Nanaitra  ny  manodidina  teny Ambolonkandrina  sy Ambohipo   iny  moa ny  fipoapoahan’ny  basy ka vetivety  foana  dia nalaza tao anatin’ny tranokalam-pifandraisana  ny vaovao sy ny sary. Momba ny fomba fiasan’ny mpitandro  ny filaminana kosa dia  misy ny fanatsarana natao ka manomboka  izao dia  hisy  laharana   izay homena ny mponina isaky ny  fonkotany  eto Antananarivo  Renivohitra  sy ny manodidina ka samy  mandray  ny laharan’ny tobin’ny  polisy  na ireo  kaomisaria izay tandrify azy avy ny  tsirairay mba hahamora ny fanavotan’ny  polisim-pirenena   raha sanatria  ka misy ny fanafihana n’aiza n’aiza eto  Antananarivo.


Andry  Ratovo 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT