Nirefotra ny basy tao Mahajanga ny harivan’ny talata tokony ho tamin’ny 6 ora teo. Tranombarotra iray mpanakalo vola vahiny no notafihan’ny jiolahy roa lahy nirongo basy « kalachnikov »
tao amin’ny fokontany Abattoir. Hanidy tsena ireto mpandraharaha ireto no nidina tampoka tamin’ny fiara ireo jiolahy ireo ka avy hatrany dia nanatona ireto farany ka nitifitra no sady naka ny sakozy nisy vola tamin’ny tanan’ilay rangahy tompon’ny tranombarotra. Niezaka namaly anefa ny zanak’ilay teratany karana saingy tifitra variraraka no valiny. Vokany, voatifitra teo amin’ny tanany an-kavanana io zazalahy io sy ireo olona manodidina. Raha ny fantatra dia 8 ireo naratra. Nitsoaka ireo jiolahy, namakivaky ny tanàna. Lehilahy iray havan’ireo tompon’ny tranombarotra no nifanena tamin’izy ireo ka dia notifiriny avy hatrany. Teo amin’ny tratran’ilay rangahy no voatifitra, nentina teny amin’ny hopitaly ka teny vao tapitra ny ainy. Hatreto, tsy mbola fantatra ny vola lasan’ireo jiolahy ireo. Misokatra ny fikarohana ireo nahavanon-doza. Nilaza ny mpitandro ny filaminana fa tsy maintsy atao haingana ny fikarohana ireo mpanendaka ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.