Mitohy hatrany ny fikarohana ataon’ny mpitandro ny filaminana mikasika ireo jiolahy nanafika ny tranombarotra « vive la vie » talata hariva teo.
4 dahy no vosambotra atao famotorana teny amin’ny fokontany Abattoir ny alakamisy teo izay ahiahina amin’ity fanafihana mitam-basy ity. Tsy mbola fantatra aloha hatreto raha tena izy 4 dahy ireto marina no tena nahavita ny fanafihana io. Aorian’ny fakana am-bavany azy ireo vao afaka milaza ny mpitandro ny filaminana. Raha ny fanazavana azo avy amin’ireo fianakavian’ireo tompon’ny tranombarotra dia iray tamin’ireo jiolahy ireo no tena nanao ny fanafihana satria dia voaporofo ilay teratany karana izy nandritran’ny fanafihana. Ho hita eo izay nahavanon-doza mikasika ity raharaha fanafihana tao Mahajanga ity izay nahafatesana olona iray.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.