Tsy milamina intsony ny tany e ! Miverina indray ny fanafihana banky ka olona saika handrotsaka vola no lasibatry ny jiolahy teny amin'ny BOA Sabotsy Namehana omaly antoandro.
Vola mitentina 10 tapitrisa Ariary no voaroba tamin'izany. Ary ny tena mahagaga dia ny banky BOA foana na ny olona maka na mandrotsaka vola ao aminy no tena voatafika sy voaroba tato ho ao izay. Asan-jiolahy izy ity, ary endrika isehoan'ny tsy fandriampahalemana an-tanàn-dehibe. Efa misy ny mpiambina, ny "camera de surveillance" amin'ireny banky ireny saingy toa tsy miraika amin'izany intsony ireo jiolahy. Maro dia maro moa ny olona mifamezivezy ao amina banky, ao anatin'ny iray andro ka tsy fantatra intsony izay tena marina. Matetika koa dia efa mizara asa mazava ireo jiolahy, ka ao ny manam-baovao momba izay olona haka na hanatitra volabe, ao koa ireo manara-maso ny zava-misy ety ivelany sy ao anatiny, ary ao ireo mpanatanteraka ny fandrobana. Io ilay efa nambara teto fa mirongatra ny asan-jiolahy na ambanivohitra io na an-drenivohitra, na maraina na antoandro, na amin'ny alina.
Mandry andriran'antsy ny vahoaka, tsy misafidy intsony izao ny olon-dratsy fa rehefa misy vola dia ataony avokoa. Ny tsapa amin'izao fotoana dia mihena ny fahatahoran'ny jiolahy ny mpitandro filaminana, efa samy manana basy mahery vaika rahateo moa ka afaka mifampitana tsara, angamba. Volana vitsivitsy lasa izay dia nasesin'ny jiolahy notafihana ireo toerana somary ivelan'Antananarivo renivohitra, efa nisy mihitsy aza ny vaky fasana teny Ambavahaditokana Itaosy teny. Mialoha kelin'io dia nalaza ny fakana an-keriny ka ny Karana no tena lasibatra ; izao izany dia mety ho ireo olona handrotsaka na haka vola eny amin'ny banky indray no lasibatra. Ary raha izao no mitohy dia hobatain’ny jiolahy ambongadiny hatramin’ireny fiara mpitondra vola ireny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.